Politique

Andry Rajoelina Vita ny kabary, andrasana ny asa


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Araka ny takian’ny Lalàmpanorenana amin’izay kandida nivoaka mpandresy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, niroso tamin`ny fianianana ampahibemason`ny filoham-pirenena vaovao, teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

 Ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no nitarika ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fiainianana sy nandraikitra izany an-tsoratra. Tamin`ny 6 ora maraina no nisokatra ny vavahady rehetra teo amin`ny kianjan`i Mahamasina. Tamin`ny 9 ora no tonga tsikelikely ireo vahiny manan-kaja nasaina. Tonga nanome voninahitra iny fotoana iny ireo filoha telo mirahalahy voafidim-bahoaka nifandimby nitantana an`i Madagasikara dia ny Amiraly Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary i Hery Rajaonarimampianina. Tonga nanome voninahitra tao ihany koa ny vady navelan’Itompokolahy Zafy Albert. Maro ireo filoham-pirenena sy solontenam-pirenena vahiny ary olo-manankaja maro no nanotrona ny filohan’ny Repoblika malagasy vaovao tamin’ny lanonana horaiketin’ny tantaran’i Madagasikara ity. Tamin`ny 10 ora 25 minitra no nigadona teo Mahamasina ny filoham-pirenena ary tamin`ny 10 ora sy sasany no nanomboka ny lanonam-pitsarana ka ny filohan`ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa no nanao kabary fohy ilazana ny antony hanaovana izany. Rehefa voaray ny fianianana nataon’i Andry Rajoelina dia nasalotra azy ny samboady maha filoham-pirenena feno azy ary ny mariky ny mariboninahitra avo indrindra eto amin’ny firenena. I Madeleine Ramaholimihaso, lehiben’ny mariboninahi-pirenena no nanatanteraka ny fombafomba. Nofaranana tamin`ny matso nataon’ny foloalindahy ny lanonana ofisialy notanterahina teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ho fanamarihana ny maha filoha faratampon’ny tafika malagasy azy. Lanonana izay notohizana kosa tamina hetsika ara-kolontsaina nafanaina mpanakanto isan-karazany tonga nanafana ny sehatra. Ny tolakandro kosa dia nisy ny sakafo mitam-pihavanana araka ny fomba malagasy no nifampizarana tao an-dapa, izay niarahan`ny filoham-pirenena mivady sy ireo vahiny nasain’izy ireo, rehefa avy nandray fitenenana fohy ny filoham-pirena vaovao ary nanamafy indray fa fotoana horaiketin’ny tantaram-pirenen’ny Malagasy ity fotoana nodiavina ity izao ary fiitiavan-tanidrazana no nanosika azy handray ny fitantanana ny firenena tamin’ny taona 2009. Afomanga lehibe no saika hamaranana teto an-drenivohitra iny andro nanaovana fianianana iny kanefa tsy tanteraka noho ny orana nikija ny sabotsy lasa teo. Tafiditra tanteraka ao anatina kihon-dalana vaovao ny firenena ankehitriny.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT