Politique

Andry Rajoelina Tsy nitsaha-nitotongana ny lazany


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Manomboka mibaribary fa mihena an-toerana ny fitiavan`ny olona ny filohan`ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina.

 

 Raha ny eto Antananarivo Renivohitra manokana nifidy azy ho Ben`ny tanàna tamin`ny taona 2007 dia nazava ny fandreseny satria nahazo vato maherin`ny 63,32%. Roa taona ihany izy no Ben`ny tanàna dia iny nitarika fanonganam-panjakana iny. Maro anefa no diso fanantenana taminy ka tsy nila azy intsony. Be loatra ny fampanantenana poakaty nentiny mba hambaboana ny fon`ny olona tamin`ireny fotoana ireny fa tena hitondra fanovana goavana eto amin’ny firenena saingy tsy vitany ny namaha ny krizy sy nanaporofo tamin`ny Malagasy fa tsy mahavita. Ny taona 2013, nanohana an`i Hery Rajaonarimampianina tamin`ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany rehefa nitsipaka an`i Edgard Razafindravahy izay kandidàn’ny antoko TGV. Ahoana no hinoana olona tsy matoky ny antokony ? Vao mainka nanaratsy endrika ny filohan’ny tetezamita izany satria 12,56% ny vato azon`i Hery Rajaonarimampianina teo amin`ny faritra Analamanga tamin`ny fihodinana voalohany. Nanao izay ho afany ihany tamin`ny fihodinana faharoa saingy 39,49% ny vato azon`ny kandidà notohanany. Nilaza fa mahery ny filohan`ny tetezamita teo aloha saingy tsy sahy nandeha irery intsony fa naleony nanambatra hery ka najoro ny vondrona MAPAR na Miaraka Amin`ny Prezidà Andry Rajoelina tamin`ny fifidianana solombavambahoaka. Nankalazaina mihitsy fa ny MAPAR no nahazo maro an`isa satria nahazo seza 45 tao amin`ny Antenimieram-pirenena kanefa 151 ny isan`ny depiote voafidy, izany hoe : tsy nahazo antsasamanilan`ny vato akory. Efa tena latsaka ambany mihitsy ny salanisan`ny olona manohana an`i Andry Rajoelina amin`izao fotoana ary mila miampiasa mersenera politika manohana azy. Nampibaribary izany ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny 31 jolay 2015, izay nahalany tamin’ny salanisa mazava 55,87% an-dRtoa Lalao Ravalomanana, vadin’ny filoha teo aloha nolazaina fa naloam-bahoaka, Marc Ravalomanana. Raha ny fahitana azy dia tantara sisa ireny fitiavan’ny olona ny filohan’ny tetezamita ireny. Maro, araka izany, no mahita fa tena nihena be mihitsy ny lanja politikan’i Andry Rajoelina ary tena mitombo isan’andro ny tezitra aminy sy ireo mpiara-dia taminy, miala an-daharana.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT