Politique

Andry Rajoelina Tsy mahazaka demokrasia…


  • Talata 18 Septambra 2018

Voambolana matetika ampiasain’ireo mpanao politika rehefa fotoam-pifidianana toy izao ny demokrasia. Anisan’ny tena miandrandra izany ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina kanefa izy indrindra no tsy mahazaka. Voaporofo tokoa io tamin’ny fanakanana ireo mpianatra tsy nitovy hevitra taminy nandritra ny loabary an-dasy tany Parisy ny herinandro lasa teo.

 

 

  Rehefa vita ny kaonferansa, tsy taitra akory ny seraseran-dRajoelina namoaka ny momba ireo mpianatra ireo  toy ny adiresy, ny anaran’ny ray aman-drenin’izy ireo… teny amin’ireny tambajotran-tserasera rehetra ireny. Fanaratsiana sy fandrahonana no nahazo an’ireo ankizy naneho ny heviny izay marihina fa ny lohahevitra dia nahakasika ny Demokrasia eto Afrika. Raha ny fantatra, naka fepetra ny ray aman-dreny sasany satria misy fiantraikany mivantana any amin’ireo mpianatra ireo ny fandrahonana kanefa ny olona dia manan-jo haneho ny heviny rehefa amin’izao sehatra fifidianana izao. Omaly tsy miova Ingahy Rajoelina satria rehefa  tsy mitovy hevitra aminy ny olona dia soketainy sy haratsiratsiany. Ferana ny fanehoan-kevitra ary maro ireo nitondra takaitra satria tsy nitovy hevitra tamin’ity filohan’ny tetezamita norahonany hatsofoka any am-ponja. Tsiahivina fa izy no nitaona olona handika lalàna sy hanonganam-panjakana ary nitokana ny kianjan’ny demokrasia ny 17 janoary 2009. Aiza ilay hoe demokrasia sy fahalalana maneho hevitra ? Fandrahonana no setriny rehefa tsy mitovy hevitra aminy.  Olona toy izany ve no hitondra firenena ?

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT