Rehefa narahana akaiky ny fomba firesaky ny kandida laharana faha 13 Andry Rajoelina nandritra ny fampielezan-kevitra dia mazava fa tena ilay filohan’ny tetezamita nanao ny lalàmpanorenana kitoatoa tamin’ny 2010 sy nitarika ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 marina no miresaka.
Asiana “puce electronique” ny omby, hividy fiara mihanika tendrombohitra ary avy eo afaka misitrika any anaty rano, omena elikoptera 10 hanenjehana dahalo, atao toa an’i Miami (Floride – Etazonia) i Toamasina, hovitaina ny lalana mankany Ambatondrazaka, asiana Parking eny amin’ny EPP …Tsiahivina kely fa nisy fampanantenana efa nataon’i Andry Rajoelina ihany koa fony izy nitantana ny tetezamita. Teo ohatra ny hoe hanorina toerana fanamboarana simenitra (cimenterie) lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ka afaka herintaona dia ho lasa 14 000 ariary ny simenitra iray lasaka eto Madagasikara, izy ihany koa no nilaza fa efa an-dalam-panamboarana ny Metro sy Tramway apetraka eto Antananarivo Renivohitra ary dia nisy “maquette” momba izany mihitsy naseho teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny 7 novambra 2010 … Tsy nisy tanteraka ireo kanefa naharitra 5 taona ny fitondrana tetezamita. Mbola fampanofinofisana natao ihany koa ilay hoe hanorina trano 10 000 ao anatin’ny volana vitsy omena ny tanora latsaky ny 35 taona efa manambady sy niteraka, ary ilay fampanantenana hoe amboarintsika ny orinasa Sirama dia ho mora ny siramamy vidin’ny Malagasy. Potika tanteraka io orinasa io ankehitriny. Fehiny, tena maro be ny fampanantenana poakaty ary mody sarontsaronana amin’ny seho ivelany sy fanentanana mahafinaritra fotsiny fa raha asa mivaingana dia “zero” ny naoty…ireo hopitaly manara-penitra moa dia efa iarahan’ny Malagasy mahita fa tsy natao ho an’ny vahoaka izany mihitsy fa lafo ny vola saram-pitsaboana tsy maintsy aloa ao. Famitaham-bahoaka sy fampadriana adrisa no betsaka ary lasa atao entam-barotra ilay hoe fitiavan-tanindrazana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.