Fampanantenana poak’aty, seho ivelany mipoapoaka no fanaon-dRajoelina nanomboka tamin’ny taona 2009 nanongana ny fanjakana ary io no toa tetika hoenti-mambabo indray ny fon’ny Malagasy.
Azo hitsarana an-dRajoelina ho mpandainga sy mpamitaka ary tompondakan’ny famahanan-dalitra ireto ampahana famitahana avo lenta nataony ny 7 novambra 2010 ireo izay ho feno 8 taona katroka amin’ny 7 novambra 2018 hanaovana ny latsa-bato hisafidianana izay ho filoha Malagasy. Asa raha mbola hino izay hambaran-dRajoelina sy ny sehoseho ivelany ataony ny olona ! Trano 10.000 no hataontsika ao anatin’ny volana vitsy ka ny tanjona dia hahazo trano ny tanora rehetra, ary ny tanora latsaky ny 35 taona manambady aman-janaka no hatao laharam-pahamehana. « Hanao trano marobe ho an’ny Malagasy, ka hatomboka eto Antananarivo ary hiparitaka manerana an’i Madagasikara, hoy izy. Aiza izany izao ? Hasiana “metro” sy “tramway” eto Antananarivo ka efa amboarina any ampitan-dranomasina izany ary ho tonga afaka volana vitsivitsy”. Nobaboina tamin’ny kisarisary na “maquette” ny olona, ary fety aman-danonana lehibe no nampahafantarana izany. Ilay kisarisary aloha dia nipoapoaka fa aiza ilay nambara “tramway” sy “metro” ? Nambara fa hanangana orinasa mpamokatra simenitra lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe indianina, ka nolazaina tamin’izany, fa raha 22.000Ar ny simenitra, dia ho lasa 14.000Ar saingy tsy nisy. Inona akory no teo fa fitaka bevava. Hofoanantsika ny antenimierandoholona ka hanaovana “Université specialisé” any amin’ny faritra, ary efa efa vitako ao ny planina fa ho avy ny fotoana hanehoako an’izany, hoy indray ny fampanantenana ny 1 aogositra. Efa mipetrapetraka indray izany ny kisarisary sy seho ivelany hoenti-mampanonofy ny Malagasy, fa raha ny zavatra efa nambara aloha dia azo hitsarana ny fitaka bevava sy hanasokajiana azy ho tranon-dainga sy mpanabado ny Malagasy, saingy hainy ery ny mandresy lahatra ny olona sasany amin’ny kisarisary sy zavatra manaitaitra kanefa toa poak’aty sy feno fitaka. Rehefa miteny aho dia tanterahiko, hoy Rajoelina amin’ny olona. Aiza aloha ilay fampantenana nampilendalenda tamin’ny 7 novambra 2010 e ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.