Politique

Andry Rajoelina Tena mihevitra ny Gasy ho dondrona


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Sesilany ny fitetezam-paritra ataon-dRajoelina, ka mirarakopana ny fampandriana adrisa hoenti-maka ny fom-bahoaka,

kanefa tsy hita izay nafitsoka tao anatin’ny tetezamita, fa ny afera maloto no betsaka. Tsy hita popoka ihany koa ary tsy nahazaka very fihinanana rehefa tsy nitondra firenena intsony no nanomboka ny taona 2014, ka dia toa leo monina teto amin’ny firenena. Tsy vitan’ny sehoseho ivelany ny fampandrosoana, ary mila fiombonam-po efa tsara orina sy voakolokolo fa tsy ivelany sy toetra amboamboarina, toy izay natao tany Antsirabe vao tsy ela akory izay, ka nilazana tamin’ny olona hoe hiainga ao, hono, ny fampandrosoana. Tsy vitan’ny fanamboaran-dalana “tip top” ny fakana ny fon’Antsirabe, hoy ny fanehoan-kevitry ny olona sasany. Mba inona no vitan-dRajoelina teto aminay nanomboka ny tetezamita no izao vao manao ronono an-tavy sy manohy ny fafy lainga, hoy ny sasany. Vao niala any Andranomanelatra ny taksibe dia efa nasiana lasantsy maimaimpoana, ary mitaingim-potsiny ny olona, hoy ny fampitam-baovao. Raha ny resaka fampandrosoana ao Antsirabe, dia mbola ny orinasa Tiko, Socota, Star,… no mamelona sy manome asa ny olona, fa ny an-dRajoelina dia any DubaÏ, Maorisy,… Tsy nahavita nanangana fa raha ny nampandoro sy nampandroba ny efa nisy dia nisy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT