Politique

Andry Rajoelina Tandindonin-doza ny haha kandida azy…


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Tonga nanatitra taratasy fitoriana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana teny Ambohidahy omaly, ny mpitarika ny hetsiky ny olom-pirenena sy Vondron’olona Leo ny Tsimatimanota (VOLT), mangataka ny hanafoanana ny fahafahan’i Andry Rajoelina mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena.

 

 

Nialoha izay, efa nisy ny hetsika nataon’izy ireo teny Mahamasina ary nahatarika vahoaka maro tokoa. Nirantiranty ny sorabaventy hoe : “Etat de droit, non à la candidature d’un putchiste, Andry TGV stop ! ». Raha adika tsotsotra dia “Tany tan-dalàna, tsy azo ekena ny firotsahan’ny mpanongam-panjakana, Andry TGV mijanona”. Ny tantara tsy fanadino ary ny lasa tsy fanadino fa tsy maintsy mijoro ny vahoaka satria nijaly nandritra izay fotoana nitantanany ny firenena taorian’ny fanonganam-panjakana, raha ny nambaran’i Didi Rakotoarisoa, iray amin’ireo mpitarika. Tsy vao izao no misy fitoriana mahakasika an-dRajoelina fa efa nanao ihany koa ny Hetsiky ny Fanorenana Ifotony (HFI), izay tsy nahazo rariny teny amin’ny HCC ka nitory azy eny amin’ny tribonaly. Ny fantatra dia misy olana sy tsy milamina i Andry Rajoelina mitaha amin’ny kandida rehetra satria izao sahady dia efa iharan’ny fanoherana samihafa. Efa fitoriana roa sahady no mahazo azy. Hisy fiantraikany amin’ny filatsahan-kofidiany ve ? Ny mpanongam- panjakana dia  tsy tokony hahazo hirotsaka hofidiana raha araka ny “Fifanarahan’i Cotonou”, izay lalàna iraisam-pirenena. Ny iraisam-pirenena anefa mivoy ihany koa fa fifidianana malalaka. Amin’ny 26 aogositra izao no hivoaka ny lisitr’ireo kandida. Kazaran’ny manao don-tandroka hoe manana olona hiaro, kanefa  ny IEM etsy an-daniny tsy misy zavatra mazava amin’ny olona. Miezaka ny maka ny fon’ny mpifidy fotsiny ary manomboka efa mankaleo ny mpanaraka. Ny TGV sy ny MAPAR koa efa manomboka tsy mifanara-tsaina satria samy miseho ho tompony.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT