Sambasamba omaly alakamisy 15 janoary 2015 no nandrenesana ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina nanonona ny anaran’i Marc Ravalomanana.
Teny amin’ny hotely Carlton no nitrangan’izany omaly alina raha nanao ny fanambarana tsy fankasitrahany ny fanendrena praiminisitra izy. Hatramin’izay tokoa mantsy dia tsy mbola re nanonona ny anaran’i Marc Ravalomanana mihitsy ingahy Rajoelina, fa ny matetika fiteniny dia ny hoe : ny sasany na ny filoha teo aloha. Tsy fantatra moa izay antony nahatonga izany fiovana tampoka izany, tahaka ny tsy nahafantarana hatramin’izao ihany koa ny tena antony tsy nanononan’i Andry Rajoelina ny anaran’i Marc Ravalomanana mihitsy fony izy nitantana ny tetezamita. Mistery !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.