Politique

Andry Rajoelina Sahiran-tsaina amin’ny afitsok’ireo manodidina azy


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Tsy misy voka-pifidianana ofisialy mivoaka akory dia efa misahotaka ny vondrona Mapar nanolotra an’i Andry Rajoelina, ka nisintaka tsy hanara-maso ny fikirakirana ny voka-pifidianana teny amin’ny CENI Alarobia nanomboka ny talata 13 novambra teo.

 

 

 

 

 Fa angaha moa tsy efa nandresy indray ary manana ireo fitanana an-tsoratra (PV) no matahotra hoe misy zavatra tsy milamina ao na tahaka izany ? Mandeha ny adihevitra etsy sy eroa momba iny fihetsiky ny Mapar iny. Anisan’ny tsoakevitra iray nivoaka ny hoe: sao dia mba sinema fotsiny ary iny e ? Re fa manomboka sahirann-tsaina ihany koa i Andry Rajoelina izay fantatra fa te ho lany filoha mafy amin’ny alalana fifidianana demokratika mba hamafany ilay laza ratsy hoe “mpanongam-panjakana”. Misy amin’ireo olona sasany manodidina azy anefa no fantatra fa mbola mikasa ny hamerina ny fomba fanao tahaka ny tamin’ny 2009, ka tsy te hahalala izay voka-pifidianana sy ny fanapahan-kevitry ny HCC fa ny tsy maintsy lany ihany no masaka ao an-dohan’izy ireo ary atosik’izy ireo mafy mba ho filoha i Andry Rajoelina. Mahalala tsara ny toe-draharaha eto Madagasikara sy aty Afrika ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Andry Rajoelina, ary fantany tsara ny ho voka-dratsin’ny krizy ateraky ny fifanolanana noho ny voka-pifidianana. Mety efa nisy kosa anefa ireo mpiara-miasa aminy vahiny nifanaraka taminy fa hoe hanohana ny vina IEM ary mety efa nanome vola be nanaovany propagandy. Noho izay ihany koa ve no maha maika sy dodona amin’ilay hoe tsy maintsy mandresy fihodinana voalohany, satria mety tsy hisy bolongam-bola matevim-be intsony raha miroso amin’ny fihodinana faharoa, ary mety tsy handaitra intsony ny paikady natao satria manomboka nipoitra daholo izao ny nafenina ary tonga saina ireo mpifidy voafitaka teo aloha teo. Fantatr’ity kandida laharana faha-13 ity fa maro be ireo mpikarama an’ady politika manodidina azy, misy ireo mpiara-miasa izay efa nanakiana azy mafy dia mafy, namoaka ny tsiambaratelon’ny tetezamita kanefa mody niverina miara-dia aminy indray satria efa hoe handrombaka fahefana. Sarotra anefa ny mahatoky olona efa namadika sy nanasoketa mivantana anao izany. Raha i Andry Rajoelina no filoha manaraka eo, dia efa azo sary an-tsaina ny fisavoritahana ao an-dapa satria samy te hahazo toerana ireo mpivaro-tena ara-politika dia ho lany andro amin’ny fifanasana vangy sy ady seza fa adino ilay asa fanarenana ny Firenena natao litania tamin’ny propagandy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT