Mitombina tanteraka ny tenin’ny mpandrindra ankapobeny ny fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana, fa tsy “statique” ny politika fa “dynamique”,
izany hoe tsy mijanona eo na misy lasitra mazava fa mety hiovaova, indrindra eo amin’ny namana na mpifanandrina. Any anaty hevitra sy tohan-kevitra hifanohanana kosa no matetika mahaliana ny maro. Niteraka resabe ny fanohanan-dRandriamampionona Joseph Martin na Dadafara an-dRajoelina. Tsy hifanomezan-tsiny izany ary zony sy safidiny. Hafa ary tsy nampozin’ny rehetra kosa ny fanazavany tamin’ny haino aman-jery, izay nanaporofo fa tena nisy tokoa ny fahotana mahafaty nataon-dRajoelina teto amin’ny firenena. Ny fanonganam-panjakana vitany, dia noraisin’i Dadafara ho tombony lehibe azy sy antony tokony hanohanana azy. Efa niezaka nanadio tena hatraiza hatraiza fa tsy nanongam-panjakana Rajoelina, raha tsy hilaza afa tsy ilay adihevitra tao amin’ny TVM ny 3 novambra teo, kanefa nabaribarin’ity kandida iray nisafidy ny nanohana azy ity fa tena nanongam-panjakana io olona tohanany io. Ny filoha Rajoelina, hoy izy, dia manana vintana matanjaka matoa 36 taona izy nahavita nanongam-panjakana, nanongana filoha teo am-perinasa izay nifehy ny miaramila, nifehy ny rehetra, ary nanana ny vola sy ny fahefana. Nahavita nanongana izy ary izy mbola ao anatin’ny hery ary amin’izao 44 taona ao anatin’ny fahamatorana tanteraka... Hamafisiko ny teniny hoe ianao Dadafara tiako hanolo-tsaina ahy fa ilaiko ny torohevitrao. Raha halalinina dia mpanolotsaina ao an-dapa no hametrahana an’i Dadafaea sy faniriany raha lany eo Rajoelina. Tamin’ny 20 aogositra 2018, raha nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany izy, dia nilaza fa io lalàm-pifidianana io dia notefena tsy natao hampandroso firenena fa napetraky ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ho azy manokana. Nieritreritra izy tamin’izay fotoana fa izy no hahazo ny maro an’isa tao amin’ny parlemanta, ka izy no lasa praiminisitra, ary afaka 6 volana dia haongany ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy i Dadafara tamin’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.