Politique

Andry Rajoelina Nanao sesitany ny tenany ?


  • Zoma 20 Febroary 2015

Nanova zavatra ny nandraisan’ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala, mpitandrina, ny fitantanana ny FFKM, nanomboka tamin’ny 25 janoary 2015, izay nifanandrify indrindra tamin’ny tsingerintaona voalohany nandraisan’i Hery Rajaonarimampianina ny fahefana maha filohan’ny Repoblika faha-4 azy

 

. Tsy miherina akory mantsy ny volana nandraisan’i Lala Rasendrahasina ny fitantanana dia io fa malailay fonosana ny sasany ! Tampoka eo, dia milaza ny hisintaka amin’ny dingana fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ireo delegasiona niara-dia taminy. Nanamafy izany tao amin’ny fahitalavitra Viva, ny depiote Mapar voafidy tao Ambatofinandrahana, Razanamahasoa Christine. Milaza koa ny tariky ny Pr Zafy Albert fa tsy mety amin-dry zareo ny fomba itondran’ny FFKM ny fampihavanam-pirenena, nefa dia samy nandray anjara hatrany tamin’ireo fihaonana im-pito nisesy nitetezan’ireo filoha dimy an’ny CCI Ivato, Lapa Maitso Anosikely ary ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izy ireo.

Nivadika tamin’ny teny nomena

Rehefa nangina ny FFKM taorian’ny safotofoto 2009 dia samy niantsoantso ireo raiamandreny mpitondra fivavahana efa-dahy ao na ny mpanao politika na ny fiarahamonim-pirenena indrindra ny olontsotra mba handray an-tanana ny fandaminana ny raharaham-pirenena, indrindra nanoloana ny tsy fahombiazan’ny FFM (Filankevitry ny fampihavanana Malagasy) fa potika ny firenena ary mahantra fadiranovana ny vahoaka. Niverina ny FFKM tamin’ny 2013, ary nanomboka ny fampihaonana teny amin’ny CCI Ivato, na tsy mbola tonga teto aza ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nitohy izay rehefa tafaverina an-tanindrazana ity farany, ny oktobra 2014. Dia iny natomboky ny FFKM tamin’ny 19 desambra 2014 iny ny fampihaonana ireo filoha dimy ary izao hiditra amin’ny dingana faharoa dia fidinana ifotony izao, ny dinika no milaza indray ny sasany fa hisintaka. Inona no marina ? Sao mba efa nanao sesitany ny tenany i Andry Rajoelina ka tsidi-pahitra sisa ataony eto Madagasikara dia manakorontana, ary mety ho tratry ny NOTAM raha mitohy ? Rehefa tsy ny Pr Zafy Albert ve no mitarika ny dinika fampihavanam-pirenena dia mibahana ny hisian’ny fitoniana fototry ny fampandrosoana eto amin’ny firenena izy ireo ? Sa zavatra hafa mihitsy ity, sanatriavina ve resaka finoana : protestanta sy katolika ? Dia aiza ilay tombontsoa ambonin’ny firenena ventiventesina isan’andro ? Aiza ihany koa ilay lokaloka nataon’izy dimy lahy teny Ivato tamin’ny volana janoary 2015 fa vonona ho maodely izy ireo rehefa samy nahatsapa tena fa tompon’andraikitra tamin’ny zava-nitranga teto ka mahatonga ny firenena ho toy izao ? Sa haverina indray ny tany Maputo tamin’ny aogositra 2009, nivadika tamin’ny teny nomena.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT