Politique

Andry Rajoelina Mitohy ny fametavetana firenena


  • Talata 11 Septambra 2018

Misy mitady hampihatra ny politikan’ny fandemen-tsaina eto, ka ny mpamotika firenena indray no lazaina fa hanangana.

 

 

 

Mazava ho azy fa misy ny olona taitaitra sy tratry ny fanova-maso, fa raha ny tena marina tsy te hierika an’i Andry Rajoelina ny maro an’isa satria nahatsiaro nangirifiry tamin’ny tetezamita na ara-tsaina na ara-nofo. Na inona na inona aloha ambara fa tetikasa sy finiavana hanarina ny firenena, dia zavatra an-tendromolotra sy feno fihatsarambelatsihy no azo hitsarana sy hamaritana izany. Voizina hatrany ny hoe fitiavan-tanindrazana ary vetavetaina atao teny filamatra hatramin’ny tenin’ny soratra masina hoe ny fitiavana no lehibe indrindra. Efa zatra nametaveta ny tanindrazana sy ny firenena tamin’ny fanonganam-panjakana, ka toa mandeha ho azy fotsiny izao fandemen-tsaina, toy izay efa natao tamin’ny 2009 izao satria mihevitra ny hanao ririnin-dasa tsy tsaroana te hanao politikan’ny fandemen-tsaina io. Raha zaza 9 taona tamin’ny 2009, izay tsy tena hary saina nahafantatra ny tena zava-nisy marina rahateo, dia mety ho resiny lahatra sy babony amin’ny seho ivelany, ka dia lalaovina mihitsy izay fomba fiady izay. Mety horaisina ho fahatahorana azy amin’ny fifidianana ny filazana ny marina, saingy ny tantara tsy fanadino. Izy izay nandatsaka an-davaka ny firenena aza mihevi-tena ho lany amin’ny fifidianana, maika fa ny olona nanangana sy nanandratra ny firenena saingy nopotehina. Nireharehana ny hoe voafidy Ben’ny tanàna teto Antananarivo ny taona 2007, fa ireny niaraha-nahita ireny hoe : very lavitra ny olona notohanany ny taona 2013. Nanao izay faraheriny tamin’ny fifidianana filoha ny taona 2013, saingy tsy lasa lavitra. Ankehitriny, te hikosoka mafy ny tantara ka mandika lalàna sy efa manomboka manao loham-boto indray izy mianakavy, ka toa manisika ny hoe: raha tsy lany eo dia hikorontana ny tany, ka asa na mihevitra ny tenany ho zinona loatra. Aty am-piandohana anefa dia efa tototry ny vavam-bahoaka sy ny mpanao politika satria mifoha avokoa ny tantara rehetra, toy ny fametavetana raiamandreny sy raiamandreny am-panahy, ny faty olona mirarakopana, ny afera maloto nahazoana harena be. Hatramin’ny afera tany ampitan-dranomasina aza toa manomboka mifoha. Tanana efa zatra mitsotra io, ka tsy atao mahagaga.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT