Politique

Andry Rajoelina Misy tokoa ve ny IEM sa tsy voafehy ?


  • Talata 11 Desambra 2018

Tsy nisy izay tsy nahatsikaritra nandritra ny adihevitra teo amin`i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny alahady lasa teo fa zara raha niresaka ny programan`asany ny filohan`ny tetezamita teo aloha.

 

 

 Tsy fantatra aloha na paik`ady na tsy fifehezana tsotr`izao ny IEM (Initiative Emergence Madagascar) fa maika hifanasa vangy amin`ny mpifanandrina aminy fotsiny izy. Raha hiverenana ny tantara, napetraka ho ben`ny tanànan`i Antananarivo Renivohitra i Andry Rajoelina. Demokrasia no rafi-pitantanana eto amintsika ka ny mponina eto Antananarivo  no nametraka azy teo ny taona 2007. Raha zohina dia hanafay an`i Marc Ravolamanana no anton`ny safidy tamin`izany kanjo nandrora nitsilany ny Malagasy satria nanafay ny firenena i Andry Rajoelina ny taona 2009 ary izao tsy mety tafarina izao ny firenena. Raha hiverenana ity fifidianana 2018 ity, ny fihodinana faharoa izay hotanterahina ny 19 desambra ho avy izao no tena andrasan`ny vahoaka Malagasy satria ady lalao miverina tokoa saingy kosa mila faritana mazava fa ny fitondrana firenena dia tsy andrankandrana. Nandritra ny adihevitra ny alahady lasa teo, fotoana tokony hanaovan`ity kandidà ity famelabelarana ny programan`asany kanefa tsy niresaka firy izany ny tenany. Raha vantanina ny resaka, tsy fantatra ny teboka iaingana amin`ity vinam-piarahamonina ity raha hampitahaina amin`ny MAP izay efa nampiasaina tamin`ny fitondrana Marc Ravalomanana. Fotoana tokony hanararaotany hoe izao ny IEM na eo amin`ny toekarena na amin`ny lafiny sosialy. Midika ve izany fa ny IEM dia tsy misy programa mipetraka ? Mametra-panontaniana tokoa ny hoe misy tokoa ve ilay IEM izay programa mafilotra atolotr`i Andry Rajoelina hampandrosoana an`i Madagasikara ?

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT