Tsy fanaratsiana na fanenjehana fa maro ny dosie maloto mahakasika ny kandida Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao ary tsy zavatra foromporonina fa tena misy, saingy ny fitsarana mahefa amin’ny alalan’ny Fitsarana ambony na ny HCJ no manana ny teny farany sy ny fahefana feno ny amin’ireny.
Raha ny vaovao mivoaka mantsy, dia mahatratra hatrany amin’ny 166 ny dosie mahakasika boaderozy, 5 ny fitoriana mombana kolikoly, 3 mahakasika harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna,… Tompon’andraikitra ambony maromaro tamin’ny fitondrana tetezamita no voatonona miaraka aminy. Tamin’ny taona 2014 moa no nametrahan’ny lalàna amin’ny tokony hananganana ny Fitsarana ambony HCJ ary ny volana jona teo no tafapetraka tanteraka. Tsy mitovy ny fitsarana mitsara ny mpitondra am-perinasa sy ny olon-tsotra, fa misy ny “immunité juridictionnel” ho an’ny mpitondra. Raha mahakasika ny filoham-pirenena na filohana andrim-panjakana am-perinasa, dia ny zavatra nataony teo am-perinasa no hanenjehana azy, na mbola eo na tsy eo intsony, ary apetraka any amin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena ny fitoriana ka tsy misy fotoana henjehina fa araka izay fotoana handinihany azy. Rehefa hitan’ny filohan’io andrim-panjakana io, fa tokony hosokafana ny fanadihadiana, dia manokatra kaomisionina manokana izy dia mandeha ny fanadihadiana isan-karazany, ka rehefa feno ny fepetra takian’ny lalàna dia halefa any amin’ny HCJ hotsaraina amin’izany ny raharaha, hoy ny mpahay lalàna IH, raha nalaina ny heviny momba ny raharaham-pitsarana sahanin’ny HCJ. Tsy midika fa rehefa filoha izy dia tsy filoha avy eo fa kandida ary miverina filoha, dia tsy azo henjehina fa ilay maha filoha azy iny mihitsy no mahatonga ny HCJ hanana fahefana manenjika azy. Ny sata mifehy ny filoha teo aloha dia tsotra satria sata fotsiny tsy hoe fiarovana fa manome zo maromaro azy satria manana ambony tamin’ny firenena izy dia homena trano, fiara, mpiambina,… fa tsy misy sata hafa hiarovana azy. Ny tsy azo hadinoina dia kandida filoha ilay manana dosie maloto. Tsy mbola nohelohin’ny fitsarana saingy mety hisy akony ara-politika sy hampisaina ny olom-pirenena ihany satria tsy takona hafenina ny fahapotehan’ny firenena taorian’ny 2009. Potika ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-toe-tsaina,… ny firenena Malagasy. Mpitondra tahaka izany ve no mendrika hitondra sy hitantana ny firenena sy hantenaina hitondra fanarenana sy fampandrosoana?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.