Mampanahy tanteraka ny fihetsik’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana satria tsy tan-dalàna intsony amin’ny propagandy mialoha ny fotoana, ka mampanantena abobo samihafa, toy ny tao Antsirabe ny sabotsy teo.
Miezaka amin’ny seho ivelany mampiseho fa tena mamim-bahoaka amin’izay toerana aleha, saingy toa mamofona fizaram-bola na fisintonana olona amin’ny alalan’ny mpanakanto samihafa mba hanehoana amin’ny seho ivelany fa mahazo vahoaka sy mamim-bahoaka ity filohan’ny tetezamita, fanta-daza tamin’ny fanonganam-panjakana ity. Mora manadino ny tantara ny Malagasy, ary na ny zaza mbola tsy hary saina tamin’ny taona 2009 aza dia efa feno taona sy afaka ny hifidy izay ho filoham-pirenana amin’izao fotoana izao, ka dia hararaotina izany. Miezaka mampiseho ivelany I Andry Rajoelina fa misy olona manohana na aiza na aiza no aleha, saingy heverina fa havadika ho fomba fiady hoenti-manakorontana izany rehefa tonga tokoa ny tena fandatsaham-bato. Hezahina horesahina fa nahavory vahoaka na taiza na taiza naleha ka nahoana no tsy ho lany sy ho voafidy ho filoha? Misy ireo olona mety mpanohana azy, na koa ireo tanora mety ho resy lahatra, fa ny ankamaroan’ireo ambara fa mamaly ny antso mantsy dia ireo tsy ampy taona sy tsy mahalala akory ny tantara, fa i Andry Rajoelina dia efa nanongam-panjakana, ary niteraka ny fahapotehan’ny firenena tahaka izao. Ny seho ivelany no ho fomba fiady, ary hohezahina hikipiana ny fahatongavan-tsain’ny olona maro fa ny tenany, dia efa nanongam-panjakana sy antony goavana nampikorosy fahana an’i Madagasikara toy izao. Misy ireo ambara fa vovonana politika manohana azy, izay tsy takona hafenina ny momba azy, toy ny resaka aferana fiara tsy mataho-dàlana an-jatony tsy fanta-pototra fa heverina ho noho ny afera maloto. Tao ireo minisitra tamin’ny tetezamita izay fanta-daza tamin’ny famarotana tany tamin’ny vahiny,… Ankehitriny anefa, dia milaza i Andry Rajoelina fa efa niova, ary nihamatotra fa tsy toy ny tamin’ny 2009 intsony, saingy tsy afaka ny handa, fa namotika ny firenena kanefa te hikosoka ny tantara sy mitetika ny ho afa-maina mora foana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.