Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.
Toe-javatra maromaro no mahatonga an’izay. Eo aloha ny fianianana nambaran’ny HCC fa tsy azo asiana fotoam-pivavahana sy baiboly, izay lasa adihevitra mandrak’androany. Fananganana efitra amin’ny kristianina izany, hoy ny olona, eny fa na ny sasany amin’ireo nanohana azy aza. Marina sy ekena fa laika ny firenentsika, ary manamafy an’izany ny lalàmpanorenana saingy misy ny karazana fifanoheran-kevitra. Any amin’ny andininy faha-48 dia misy ny lahateny tsy maintsy ataon’ny filoha miantomboka amin’ny hoe: “Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny firenena ary ny vahoaka”. Tsy voatery navoaka hiteraka adihevitra goavana tahaka izao ny filazana fa tsy hisy fotoam-pivavahana sy baiboly fa azon’izy ireo tonga dia atao fotsiny ary mety tsy hahatsikaritra akory aza ny ankamaroan’ny olona. Nisy baiko ve tany ho any nilaza fa tsy mitakosona amin’ny finoana Kristianina ianareo amin’io resaka fianianana sy fandraisana fahefana io ? Toe-javatra iray manaratsy endrika an-dRajoelina sy ny ekipany ihany koa ny hafitsok’ireo manodidina azy sasany. Mbola mitondra tena ho tahaka ny anaty propagandy sy toa tsy mahay mahazo na nomena fandresena fa mandeha hatrany ny karazana fandrangitana. Azo niadian-kevitra ny fandresena nomena an-dRajoelina, ary tsiahivina fa ny 25% amin’ireo olona voasoratra anarana tao anaty lisi-pifidianana no nifidy azy, ary 10% amin’ny Malagasy 25 tapitrisa. Ny mpifanandrina taminy indray no naneho fahendrena sy firahalahiana, ary vaky vava tamin’izay fahendreny izay hatramin’ireo tsy nanohana azy. Sarotsarotra ny mametraka fahefam-panjakana ao anatin’izany, ary fakana ny fon’ireo vahoaka tsy nifidy azy no zava-dehibe fa tsy vao mainka fananganam-pahafavalo velively. Efa miandry fotsiny sy hanara-maso ny fanatanterahana ireo vina sy fampanantenana paradisakely ho an’ny Malagasy ny rehetra izao, ary vely kanonta no miandry an-dRajoelina raha tsy tanteraka ireny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.