Politique

Andry Rajoelina Miezaka manadio ireo mpomba azy


  • Talata 28 Aogositra 2018

Mihetsiketsika mafy ny filohan`ny tetezamita teo aloha amin`ny fitsidiham-paritra hisehosehoana. Miha akaiky tokoa ny datim-pifidianana filoham-pirenana.

 Na iza faly na iza tsy faly, mpanongam-panjakana i Andry Rajoelina, nanapotika ny firenena, nampahantra ny Malagasy. Na nanangan-javatra, toy ny hopitaly manara-penitra, izay tsy zakan`ny madinika ny sarany … dia tsy azo adinoina velively fa nanangana fahavalom-bahoaka ny tenany noho ny fitaovam-piadiana mitobaka eto an-toerana ary tsy voafehy intsony. Manjaka tokoa mantsy ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika, ny fakàna an-keriny hatramin’ny tetezamita mitohy ankehitriny. Manampy trotraka ireo manampahefana milalao kolikoly avo lenta.  Raha araka ny tarehimarika navoakan`ny “Transparency International”, ny fitondrana tetezamita no nampidangana ny tahan’ny kolikoly satria avy any amin`ny laharana faha-99 i Madagasikara no nitontongana any amin`ny laharana faha-127 avy hatrany. Na hihazakazaka haka fom-bahoaka etsy sy eroa hireharehana i Andry Rajoelina sy ny ekipany mba hanadiovana ny zava-bitany sy takaitra napetrany teto amin`ny firenena dia tompon’andraikitra voalohany amin`ny fampianarana ny olona hidina an-dalambe, indrindra handroba sy handoro ny fananan`ny hafa. Amin`izao fotoana izao, feno olona very asa noho ny sotasota nampanaoviny tamin`ny orinasa maro nikatona izay nampiasa olona an`arivony maro. Ary dia nibodo teo amin`ny fitondrana tetezamita izy nandritra ny dimy taona na dia enim-bolana hatramin`ny roa taona aza no fetra. Tsy ilaina intsony angamba ny mampatsiahy fa nijanona tampoka ny fampandrosoana izay nihazakazaka mafy nandritra ny fito taona vao nigadona fotsiny ny taona 2009 izay nidiran`ny tetezamitan-dRajoelina an-tsehatra. Trotraka sy resin`ny fahantrana tanteraka ny vahoaka ankehitriny noho ny krizy ary tsy mora no manarina firenena ao aorian`ny fanongam-panjakana. Te hampiseho sary tsara amin`ny Malagasy i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Ny herinandro lasa teo, sesilany ny fanambarana ataon`ireo antoko milaza fa manohana an`i Andry Rajoelina sy ny IEM toy ny Maitso tarihin`i Alexandre Georget, antoko Liaraike, an`i Soja Jean André na Kaleta, …


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT