Politique

Andry Rajoelina Miantehitra mafy amin’ny Frantsa-Afrika


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Nandao an’i Frantsa ny alarobia 19 septambra teo i Andry Rajoelina avy eo nihazo an’i Dakar renivohitr’i Sénégal Mba hanatrika fivoriana momba ny « Science Politique ».

 

 

Raha i Sénegal dia firenena tena akaiky ny fon’ny Reny Malala, ary nampiasaina fatratra mihitsy tamin’ny fanjanahantany, ka tsaroana ilay fomba fiteny hoe : « Sonegaly nahazo baiko ». Anio alarobia no re fa hiverina an-tanindrazana izy taorian’ny fitetezany faritra sy toerana samihafa tany ivelan’i Madagasikara. Tombanana avy hatrany amin’izao fihetsiky ny filohan’ny tetezamita teo aloha izao fa ny avy amin’ny Frantsa-Afrika sy mpivoy an’io no mpanohana azy ary hakany toky mafy. Io politika io izay napetraky ny Frantsay efa tany amin’ny taon-jato maro, saingy miezaka miala amin’io ny Filoha Frantsay ankehitriny Emmanuel Macron amin’izao fotoana izao. Ny fiezahana miala amin’io Frantsa-Afrika io no heverina mampihozongona an’i Emmanuel Macron ankehitriny satria anisan’ny olona nanovo fahalalana betsaka tamin’ny Amerikanina izy, izay toa atody miady amam-bato ihany. Tsy ny fanjakana ara-dalàna ao Frantsa no manohana an’i Andry Rajoelina raha dinihina amin’io toe-javatra misy io. Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha. Ny zava-misy aloha izao dia re fa manana dosie any Frantsa i Andry Rajoelina, izay heverina fa ho sarotsarotra aminy ihany ny miala amin’izany .

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT