Fa maninona no tsy entin-dRajoelina miaraka manao fampielezan-kevitra aminy ireo goaikantitra na dinaozoro politika ao anatin’ny Armada, izay efa nilaza fa hanohana azy ?
Ireo anefa no heverina fa miara-miketrika ny paikady aminy ankoatra ireo vahiny mpiara-dia amin-dRajoelina. Tombanana avy hatrany ho manimba sary sy azo antoka fa hampidina ny taham-pankafizana na ny “Côte de popularité”, ka aleony sesehana artista ny angidim-by, toy izay hitondrana mpanao politika goaika antitra. Heverina ho nahazo toromarika mba hamitsaka ihany koa, fa sady tsy miseho masoandro no moana be tsy toy ny tamin’ny fampahafantarana ny kandida na ny “Précampagne”. Mety paikady politika, saingy maro amin’ny mpitazana kosa no mihevitra fa henatra ho an’i Andry Rajoelina sy manome endrika ratsy ho azy ny fijoroan’ireo mpanao politika manodidina azy sasany amin’ny propagandy. Raha i Andry Rajoelina no lany ho filoha, dia lojika fa tsy maintsy hahazo toerana ao anaty fitondrana ireo mpanao politika efa somary malaza ratsy amin’ny famadibadihana palitao tahaka an-dry Norbert Lala Ratsirahonana, Jean Louis Robinson,… Mirangorango ao an-damosin-dRajoelina ny mpanao politika somary ratsy laza, toy ny malaza amina aferana boaderozy, ny malaza tamin’ny kolikolikolin’ny lalàm-pifidianana …
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.