Politique

Andry Rajoelina Mbola tena mafy fo amin-dRajao…


  • Zoma 25 Mey 2018

Mijanona ho resaka an-jorony aloha ny asa fanelanelanana eo anatrehan’ny krizy politika eto amin’ny firenena.

Ny CFM toa tsy dia atokisana firy intsony. Ny FFKM toa mbola mandamina ny raharaha anatiny, indrindra fa noho ny fiovana eo amin’ny fiangonana katolika, izay heverina fa hitarika amin’ny fiovan’ny solontenan’io fiangonan-dehibe io, ka ny Kardinaly no mety handray ny toerana atsy ho atsy. Tsy hita izay tena nafitsoky ny sehatra iraisam-pirenena, izay mety mbola mijery ny fitsoky ny rivotra hatrany angamba. Mbola manao tatitra sy miady hevitra ny SADC. Karazan’ny manosika amin’ny hisian’ny fifanarahana ara-politika ihany koa. Toa mihanahana na mody adala na koa efa manana zavatra hianteherana i Hery Rajaonarimampianinana, izay toa vao mainka midingin-drambo indray. Matoa ihany koa anefa nametraka fiarovan-tena dia matahotra, ka io malaza fa mikorapaka mafy amin’ny resaka fananganana ny HCJ (Haute Cour de Justice) io. I Marc Ravalomanana kosa efa hatry ny ela no nilaza fa zava-dehibe ny fifampiresahana, ary vonona foana raha resaka fikatsahana vahaolana ho an’ny firenena no resahina. I Andry Rajoelina no re siosio fa somary mbola misalasala sy malailay fonosana ny hifampiresaka amin-dRajaonarimampianina. Mivoaka moa ny feo fa i NLR, izay kalaza amin’ny fanaovana politika indrindra fa resaka lalàna, ary saika tao ambadiky ny mpitondra nifanesy no asaina manambitamby azy. Tsy hay araka izany na sinema na tena izy ny famoaham-baovao samihafa nentin’ny fitondrana nanaratsy an’i NLR, izay toa hita any anatin’ny ekipan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha satria omaly izao ny tenany, dia hita tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy nandritra ny fihaonambe mikasika ny vina IEM (Initiative Emergence de Madagascar) omaly.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT