Politique

Andry Rajoelina Mandindona azy ny faharesena…


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

Nangingina tsy toy ny talohan’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny fampielezankevitry ny kandida Andry Rajoelina tamin’ity fihodinana faharoa ity. Mampametra-panontaniana antony.

 

 Fiahiahiana sa fahafantarana mihitsy fa tsy ho lany ve? Tsy ny lafiny propagandy ihany anefa fa ny lafiny fanohanana ihany koa dia hita ho nitsimbadika aty amin’ny kandida laharana faha-25, Marc Ravalomanana, ny ankamaroan’ny tohivakany. Na hatramin’ireo nilaza azy ho tsy tonga nifidy na ireo antsoina hoe “majorité silencieuse” toy ny fikambanana MCI aza dia efa nanao fanambarana ihany koa ary vao nanamafy izany ny alakamisy teo fa aleon-dry zareo i Dada. Hita ho mirona kokoa any amin’ity kandida ity ihany koa hatramin’ny fianakaviambe iraisampirenena ary efa voatatitry ny onjam-peo iraisam-pirenena RFI vao haingana moa izany fiaiken’ny avy any Dilambato izany fa tena mitombina na hoe “réaliste” kokoa ny fandaharan’asan’ny K 25. Ny ekipan’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, izay kandida nahazo isan-jato 8 mahery koa aza hita ho mirona amin’izany fanohanana an’i Dada izay. Ireo mpitondra fiarakaretsaka, vondron’olon-tsotra, ny ankamaroan’ireo tao amin’ny firaisankinan’ny kandida sy ny hafa maro tsy voatanisa dia toa efa mandindona sahady fa akaiky ny fandresen’i Dada.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT