Politique

Andry Rajoelina Manao ririnin-dasa tsy tsaroana


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Nanongam-panjakana i Andry Rajoelina ny taona 2009, ary maro ny fahapotehana ara-toekarena sy ara-piarahamonina naterany, izay tsy voaarina ankehitriny ary tsy mbola voafafa ny ratram-po navelan’ny fandrobana sy ny faty olona.

Nanova lalàmpanorenana ny taona 2010 namboarina mba hahafahany mirotsaka, izay petatoko ka kara-pokontany aza nahafahana nifidy. Izao indray dia milaza fa tokony hofoanana ny antenimierandoholona, kanefa tamin’izany fotoana tsy nohenoina io soso-kevitra io. Tsy mbola nosedraina akory tamin’io lalàna nataony io i Andry Rajoelina, saingy izy indray izao no mahita fa misy tsy mety ao, izay midika ho tsy fahamatorana ara-politika sy tsy fivadibadihan-kevitra. Izay lazaina fa lainga sy fakana fom-bahoaka fotsiny. Nambaran-dRajoelina tetsy Mahamasina ny alakamisy 02 aogositra teo ny fahatsapany ny fahasahiranan’ny tanora amin’ny fitadiavana asa. Notsiahiviny koa fa nandefa fiaramanidina manokana nakana ireo vehivavy Malagasy tany Koweit tamin’ny tetezamita izy satria rehefa tsy nisy asa dia voatery niatrika fanandevozana tany ivelany. Ny orinasa Malagasy nampiasa olona ana hetsiny aza anefa nodoran’izy mianakavy ny 2009, ary asa hatrany amin’ny 300 000 no very tamin’ny sehatra afaka haba noho ny krizy. Nandrodana, nandroba, nandoro orinasa ary any Dubai, Frantsa, Maorisy… no nanangana fa tsy eto. Afaka nanao zavatra maro Rajoelina tamin’ny tetezamita, saingy nangoron-karena no nataony. Niova tampoka ve ny toetrany ary nilatsahan’ny fanahy masina rehefa kandida ho filoha ? Nambarany fa efa nihamatotra, hono izy. Mandany vola be amin’ny serasera Rajoelina ankehitriny hanasany atidoha ny vahoaka tahaka ny efa nataony tamin’ny 2009.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT