Nifarana omaly ny fampielezankevitry ny fihodinana faharoa ho amin’izao fifidianana ho filoham-pirenena izao. Nanamarika indrindra azy iny moa ny fifanatrahana 2 nataon’ireo kandida tao amin’ny TVM.
Maro ny fanehoan-kevitra nikasika azy iny. Ny zavatra hita, hoy ny filoha lefitry ny fikambanana Madagasikara Tafaray, Berija Ravelomanantsoa, dia tsy tao amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ny atao hoe valifaty politika na nisy aza ny raharaha 2009. Tsy niresaka afa-tsy MAP, toekarena sy fampianarana ary ny fanarenana izy. Nisy ny lavaka nangitsokitsoka nahazo ny firenena izay tsy voarina nandritry ny 9 taona tsy naha teo an-d*-dRavalomanana. Hita taratra izay nandritr’ilay adihevitra fa mbola ananany ny traikefa sy fahaiza-manao hanarenana ny firenena. Ho an’Andriamatoa Andry Rajoelina, rehefa tsy nisy finday sy fihaino amin’ny sofina dia hevi-jaza sisa no tafavoakany. Hita hoe tsy nisy famatorana. Niaraha-nahita izany, hoy ity filohana fikambanana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.