Politique

Andry RAJOELINA Mamo miantso polisy…


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Omaly ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) no nanatitra ny taratasy mahakasika ireo fitoriana nataon`ireo kandidà eny amin`ny Fitsarana. Roa no isany dia ny natao tamin`ireo kandidà laharana faha-13, Andry Rajoelina sy faha-25,

 

 

 Marc Ravalomanana. Fitoriana manodidina ny herisetra mandritra ny fampielezan-kevitra no voarain`ity vaomieram-pirenena ity. Tena mahavariana fa Atoa Andry Nirina Rajoelina no nanatitra ny fitoriana momba ny herisetra mandritra ny fampielezan-kevitra voalohany. Tsiahivina fa efa nisy ny aina nafoy. Toy ilay tranga teny Fenoarivo, olona maromaro no nivindina tarehy na bongo maso noho ny herisetra nihatra tamin-dry zareo ka nentina notsaboina tamin’ny hopitaly. Ny voalaza mazava aloha dia mpanohana an-dRavalomanana ireo niharan’ny vono ireo ary mpomba an-dRajoelina ny mpamono. Azo oharina amin’ny “mamo miantso polisy” ihany koa ka izy mamo indray no avo vava sy miantso vonjy amin’ny mpitandro ny filaminana mba hisambotra azy. Tsy nanomboka akory ny fampielezan-kevitra dia efa nisy ny fifanaratsiana sy fifandrangitana efa naindraindran`ny mpomba ireo kandidà sasany. Tsikaritra fa rehefa mifanena ireo mpomba an`ireo kandidà sasany dia mifandramatra am-bava, misy hatrany amin`ny tora-bato. Herinandro faha-4 isika amin`izao amin`ny propagandy ka mila fitandremana satria hisesy ny faradoboka eto an-drenivohitra anio sabotsy 3 novamra 2018. Adidy sy andraikitry ny kandidà sy ireo mpitarika ireo mpanohana no mandamina ny zava-misy rehetra satria ho sarotra be ny fidirana amin`ny fihodinana faharoa raha izao no mitohy. Ny teo anivon`ny CENI rahateo dia niangavy an`ireo kandidà rehetra hampitony ampahibemaso ireo mpomba azy tsy hihoa-pefy ka sanatria hitondra korontana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT