Politique

Andry Rajoelina Maka tahaka an-dRavalomanana


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Tonga amin’ny fitenenana hoe: “ny soa fianatra” ny fihetsiky ny kandida Andry Rajoelina amin’izao fotoana.

 

 

Toa maka tahaka ny fihetsika sy ny programan’asan’ny kandida Marc Ravalomanana kanefa dia mirehareha fa hafa mihitsy ilay IEM. Nilaza ny hametraka fandriampahalemana ny kandida Ravalomanana ary anisan’izany ny ady amin’ny asan-dahalo. Zava-dehibe ny fanafoanana ny fanondranana omby an-jambany. Mba nilaza ny hiady amin’io asan-dahalo io ihany koa i Andry Rajoelina taty aoriana. Raha ny tantara, dia efa nofoanan’i Marc Ravalomanana ny fanondranana an-jambany ny omby izay mampirongatra ny asan-dahalo fony izy teo amin’ny fitondrana, saingy naverin’ny fanjakana tetezamita tamin’ny 2010 kenefa io tena mampirongatra ny asan-dahalo. Nilaza i Marc Ravalomanana fa mahay mampakatra sandam-bola Malagasy haingana dia haingana ao anatin’ny fotoana fohy, ka dia niteny ihany koa Rajoelina fa hatao matanjaka haingana dia haingana ny ariary hahafahana mampidina ny vidin-tsolika. Ny fifandanjan’ny fanondranana sy fanafarana ny entana any ivelany no tena mampiakatra na mampidina ny sandan’ny ariary rehefa miditra ny vola vahiny, ka ny fanafarana no mampihena ny sandan’io vola Malagasy io. Raha ny fihetsiky ny kandida Rajoelina amin’izao anefa mitaha amin’ny fihetsik’i Marc Ravalomanana raha resaka vahaolana ara-tsosialy, dia azo ampitahaina ny Magro sy ny Tsena Mora, izay naharitra iry voalohany, vokatra Malagasy no nojifaina, misy famoronan’asa, mampiakatra ny vidin’ny vokatra eny amin’ny mpamokatra, mitazona ny vidin-javatra tsy hiovaova toy ny vary izay mora kokoa sy azo nialana tamin’ny fanararaotana,… Manao ny tsena mora kosa i Andry Rajoelina amin’izao fotoam-pifidiana izao, izay manafatra entana avy any ivelany fa tsy ny an’ny tantsaha no jifaina izay mampidina ny vidim-bokatra mazava ho azy, tsy vahaolana maharitra fa mandalo, tsy misy famoronan’asa maharitra, olom-bitsy no voakasika hatreto, mandany “devise” ny fanafarana azy nefa tsy mampitombo vokatra eto an-toerana … Fandaharan’asan’i Marc Ravalomanana hatramin’izay ny fampiroboroboana ny fampianarana sy ny fisitrahan’ny zanaka Malagasy izany, ka nahatratra 92% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly tamin’ny androny. 72% ny taham-pankasitrahan’ny vahoaka ny ezaka nataon’ny governemanta tamin’ny fampianarana ny taona 2008, raha toa ka 33% tamin’ny fotoana nialan-dRajoelina tamin’ny fitondrana. Hanohy ny “kits scolaires” i Marc Ravalomanana ary efa nampiseho ny maodely, ka mba may ny endim-boanjon’i Andry Rajoelina mizarazara kitapo sy fitaovana ihany koa ankehitriny, izay tombanana ho fihetsika hakana ny fom-bahoaka amin’izao fifidianana izao ihany. Ny soa fianatra, saingy hita eny ihany ny tena tompon-kevitra sy mpaka tahaka.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT