Maro no nahatsikaritra halina nandritra ilay fifanatrehana vooalohany teo amin’ny kandida roa haitrika ny fihodinana faharoa fa nikitika sy nijery ny findainy i Andry Rajoelina.Ekena fa ampiasaina tokoa ny teknolojia sy ny fivoarana,
saingy miendrika tsy fahalalam-pomba ihany ny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita teo aloha amina adihevitra efa tena avo lenta tahaka ireny.Etsy ankilan’izay mampanontany tena hoe : inona marina no nojereny tao amin’ilay finday ? Tahirin-kevitra ve sa namely fifampiresahana aman’olon-kafa amin’ny alalan’ny SMS na MP ao anaty facebook, na Viber na WhatsApp….Sa inona no tena nataony tao sa mba niala voly kely nanalana ny rari-tsaina noho ny tsy fahazakana ny adihevitra ?Tetsy ankilan’izay milamina ary afaka nampiseho porofo an-taratasy tahaka ny fanao rehefa miresaka sy mifampiraharaha na miady hevitra i Marc Ravalomanana.Iny zava-nitranga nataon-dRajoelina iny dia mampatsiahy ilay esoeson-teny nataony fony tetezamita momba ny fifampiraharahana nifanaovana tamin’ny mpanelanelana tany Afrika raha nikabary teo Ambohtsorohitra izy hoe : tsy ho any intsony isika fa alefantsika amin’ny SMS ny valitenintsika.Endrika tsy fahamatorana sy fanaovana tsinontsinona ary azo sokajiana ho tsy fahalalam-pomba ihany koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.