Politique

Andry Rajoelina Main’ny afo natsangany


  • Talata 20 Janoary 2015

Tsy nahandry ny didy hivoahan’ny Filankevi-panjakana mitaky ny hampiatonana ny fampiharana ilay didim-panjakana fanendrena ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny Vondron’Ambodivona ka re izao fa nitondra ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana

. Ho fotoana very anefa izany satria raha ny paikady voatondron’ny lalàna dia ny filohana andrimpanjakana ihany no afaka mitory eny amin’ny HCC. Mahafeno izany fepetra izany ve ny Vondron’Ambodivona ? Eny amin’ny Filankevi-panjakana indray moa dia ny fitondrana tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina ihany anie no namoaka didy hitsivolana 2010-001 tamin’ny 10 oktobra 2010, manova ny lalàna fehizoro 2004-006 tamin’ny 01 oktobra 2006 mikasika ny Fitsarana tampony e ! Voalaza mazava ao fa manomboka izao dia angatahina ny fampiatonana ny fampiharana didim-panjakana fa tsy mandeha ho azy toy ny teo aloha. Tsy mahagaga raha manohy ny asa ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. Fahefan’ny filohan’ny Repoblika manokana ihany koa fanendrena praiminisitra ka namoahana didim-panjakana fa tsy didim-panjakana noraisina tamina filankevitry ny minisitra. «Acte de gouvernement», hoy ny mpahay lalàna momba izany. Mazava ny voalazan’ny lalàna momba ny «Acte de gouvernement» fa tsy azo toriana. Ny mpitory rahateo moa tsy mahafeno fepetra satria raha ny Mapar fotsiny dia sady tsy antoko no tsy vondron’antoko miorina ara-dalàna ara-panjakana talohan’ny fifidianana. Ny ARD indray toa mifanipaka anatiny, ny Maitso moa efa mankato ny praiminisitra vaovao. Ny VPM-MMM mipatitaka ... Inona fa tsy rava ny tsena. Main’ny afo natsangany !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT