Kandida sokajiana ho matanjaka sy mety hifampitady mihitsy i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny fifidianana hatao amin’ny 7 novamba izao.
Tsikaritra ho tsy mahatoraka ny laharana faha-25 ny laharana-13 raha fitetezam-paritra, ary samihafa mihitsy ny endrika isehoany. Ny iray be fikenona amin’ny artista maro be vao mahazo vahoaka, nefa mandeha ho azy ny an’ny iray, ary ny vahoaka no manatona azy. Ny soa fianatra ! Toa mampihomehy ihany satria tsikaritra ho lany bala i Andry Rajoelina ka mangala-tahaka izay lazain’ny kandida hafa sisa. Tsy nanomboka akory ny propagandy dia nilaza ny kandida Paul Rabary fa hanafoana ny antenimierandoholona. Niteny an’io ihany koa izy taty aoriana. Nilaza ny hanafoana ny asan-dahalo i Marc Ravalomanana ny 9 oktobra tany amin’ny faritra SAVA ka nilaza fa voalohany indrindra hisorohany an’io ny hanafoanana ny fanondranana omby. Tonga koa ny tenany aty aoriana milaza izany. Tsara anefa ny manamarika fa efa tetikasa tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana ny fametrahana « puce électronique » hahafahana manara-maso ny omby, saingy tsy tanteraka noho ny fanonganam-panjakana. Efa nofoanana io fanondranana an-jambany ny omby io, saingy naverina tamin’ny 2010. Nilaza i Marc Ravalomanana fa mahay mampakatra sandam-bola Malagasy haingana dia haingana ao anatin’ny fotoana fohy. Iny koa ny anao lahy milaza fa hatao matanjaka haingana dia haingana ny ariary hahafahana mampidina ny vidin-tsolika. Nialoha ny fanonganam-panjakana 2009 anefa, dia manodidina ny 2 miliara dolara ny tahirim-bola tao amin’ny banky foibe nahafahana nifehy ny tsenan’ny takalo ara-bola tsy hitotonganan’ny ariary, saingy nataon’izy mianakavy tantely afa-drakotra. Saika hanao fihaonana tamin’ny mponina tao Andranomanelatra i Andry Rajoelina ny 17 oktobra teo. Nofoanana haingana anefa satria tsy nahavory olona akory, hoy ny fampitam-baovaon’ny olona. Efa nitatatata manerana ny tanàna ny « Sono mobile » an’ny Mapar nilaza fa ho avy eto i Andry Rajoelina mivady koa dia tongava maro ianareo vahoaka. Tsy tonga ny olona, kanefa efa tonga tao daholo ny lapihazo sy ny fanamafisam-peo, ary ireo Artista rehetra hanafana ny lanonana. « Loza ity ! », hoy ilay Ben’ny tanàna izay avy amina tanàn-dehibe iray tsy lavitra eo voalaza fa efa nanakarama olona maro sy efa nampisakafo an'ireo filoham-pokontany marobe. Ny lainga marivo tototra toy ilay hametrahana tramway sy metro nambara efa amboarina any andafy ary ho avy afaka volana vitsy ; ny nilazana fa hanangana fanamboarana trano 10 000 ho an’ny tanora, ny nitenenana fa hanangana orinasa famokarana simenitra ka hisitrahan’ny Malagasy vidiny mora 14.000Ar isaky ny lasaka,… nambara ny 7 novambra 2010, dia porofo mivaingana hahafaha-mitsara an-dRajoelina ho mpandainga sy mpamahan-dalitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.