Politique

Andry Rajoelina Itangoronan’ireo mpanao tatireraka


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Miseho masoandro ireo mpanao politika mpanao tatireraka amin’izao fotoana izao rehefa tsy nahita rirany tao anatin’ny dimy taona nitondran-dRajaonarimampianina, ka misoavaly an-dRajoelina.

 

 Ireo very fihinanana taorian’ny tetezamita ny ankamaroany. Nisy ihany ny mba saika handeha irery, saingy tsy nahatokan-dalana satria nihena am-pitoerana toy ny fen’antitra ny tanjaka ara-politika ka ny ankamaroany dia soavaly be tongotra sy hanary vola fotsiny raha mbola hirotsaka, toy ireo ao anatin’ny vondrona ARMADA. Tafiditra ao ny Dr Robinson Jean Louis, izay laharana faharoa tamin’ny 2013, ary mpifanandrina tamin-dRajaonarimampianina izay notohanan-dRajoelina. Atoa Hajo Andrianainarivelo ihany koa, ohatra, dia karazan’ny efa nitsipa-doha ny filohan’ny tetezamita tamin’ny 2013, ka nandeha irery tao anaty fifidianana. Nikofokofoka mafy haka ny toeran’ny mpanohitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena, saingy tsy nahita rirany. I Norbert Lala Ratsirahonana moa dia nahay nilomano, ka tafiditra tao anatin’ny fanjakana HVM, saingy io mamadika io. Tsy te haloto sy tsy te ho very fihinanana. Tao anatin’ny efa-taona mahery izany niara-dia tamin-dRajaonarimampianina hatrany ary nahalala zavatra maro, saingy tsy mena-mivadika aty aoriana rehefa mitady ho rendrika ny sambo. Ry Lalatiana Rakotondrazafy dia tsiahivina fa nosamborina saika nogadrain-dRajoelina tamin’ny andron’ny tetezamita. Saika mihazakazaka manatona azy ireo mpanao politika mamba noana. Fantatra ny fananany volabe ary ela izay tsy nihinanana izay ka sao mba hisy hipitika kely e ! Efa ireny iaraha-mahita ireny anefa ireo vazaha be miaraka amin-dRajoelina, izay manao ny kajikajy rehetra, ka asa na hahita mangirana ireto mpanao politika mirangorango aminy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT