Politique

Andry Rajoelina I Frantsa hatrany no mahalala mialoha ny tetikasany


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Tany Parisy, Frantsa, no nampahafantarana voalohany ny Vina IEM na “Initiative pour l’émergence de Madagascar” an’ny kandida ho filoham-pirenena Malagasy, Andrinirina Rajoelina, ny 23 sy 24 mey lasa teo.

 

 

 

 Efa nandeha sahady ny tsikera tamin’izany fotoana fa vina hampandrosoana an’i Frantsa ve izy io no toa nierana tany aloha vao nentina taty sa hampandrosoana an’i Madagasikara marina ? Mbola tany Parisy, tao amin’ny fivarotam-boky “Les guetteurs de vent”  indray omaly no nanasany mpanatrika hampahafantarany ny fivoahan’ilay boky mitantara ny lalana nodiaviny mitondra ny lohateny hoe “Par amour de la patrie” na noho ny fitiavan-tanindrazana raha adika tsotra.  Aiza ilay tanindrazana tiany ? Ilay manana ny tenim-pirenena ampiasainy amin’ny lohatenin’ny bokiny sy ny voatoatiny ve sa eto amin’ilay hilatsahany filoham-pirenena sy nanaovany fanambarana ofisialy tetsy Mahamasina ny filatsahany ny 1 aogositra teo ? Sao dia mba any Parisy koa ary, hoy ireo mpivazivazy, no hanaovana ny fianianana raha toa ka izy no lany ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT