Hatreto dia tsy hita veroka ny tohin’ny fitoriana ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, napetrak’ilay Hetsi-bahoaka ho an’ny fanorenana ifotony nolavin’ny Fitsarana avo
momba ny lalàmpanorenana ary nafindra teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy ny 16 aogositra teo. Raha ny vaovao voaray, mbola mandalo tsy fahasalamana ny mpitarika iray eo anivon’ity hetsika ity ary tsy mbola nisy naheno vaovao farany mikasika ny tohin’ny raharaha ireo mpikambana sasany, raha ny tohim-pitsarana eto an-toerana no asian-teny. Siosion-dresaka no nahenoana fa amin’ny 7 septambra izao no hisy fanadihadiana voalohany na “enquête préliminaire”. Ny any ivelany indray no taitra mialoha satria raha ny fanazavan’ny mpikambana iray dia matoa manomboka mivoaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireny dosie mikasika ny vola lany nampandaniana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mitentina 43 tapitrisa dolara ny taona 2013 ireny dia ao raha. Raha tsy ny filohan’ny tetezamita teo aloha izay nanohana ny filohan’ny HVM akaiky indrindra tamin’ny fotoan’androny no loharanon’izany vola izany dia iza ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.