Hiverina eto an-tanindrazana amin’ity fiandohan’ny herinandro ity, anio raha tsy misy ny fiovana, ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina
Tany ivelany tany naharitra nanomana ny fiverenany ny eo amin’ny sehatra politika sy ny fifidianana amin’ny 2018 ny tenany, hoy ireo namany akaiky. Izay no tsy nahitana sy tsy nandrenesana azy, nandritra ny fakan-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena nataon’ny FFKM farany teo ireny. Re avy amin’ireo namany akaiky ihany koa fa tsy handefitra lava amin’ny ataon’izao fitondrana izao ny tenany, indrindra manoloana ny tsy fanajana ny lalàmpanorenana izay nanilihana ireo mpiara-dia aminy eo anivon’ny Mapar, nanomboka teo amin’ny fanaganana ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, nitohy tamin’ny fanendrena praiminisitra sy ny fananganana governemanta. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona, hiantsoan’ny maro ny fitoniana politika izao ve anefa no hosafidianany hiverenana eo amin’ny valaben’ny politika eto Madagasikara indray ? Ka tsy ho afo-mololo fotsiny ny azy ? Sa hanao dadabe noely ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.