Politique

Andry Rajoelina Hamerina ny tamin’ny 2009…


  • Zoma 07 Septambra 2018

Efa ady ity fa tsy sangisangy sy vazivazy na don-tandroka fotsiny eo amin’ny samy mpikatroka politika, indrindra fa ny kandida na vondron-kery mikendry ny hisian’ny fihemoran’ny fifidianana sy ireo mivoy ny hisian’izany.

 An-daniny, ry Andry Rajoelina sy ny ekipany dia mivoy mafy ny hisian’ny fifidianana ary efa nanao don-tandroka sy fampitandremana ry Norbert Lala Ratsirahonana amin’izay mikendry hampihemotra ny fifidianana. Raha ny fanehoan-kevitra nataon’i Hery Rasoamaromaka tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra, dia sahy nilaza izy fa tompon’andraikitra ireo roalahy nitory, dia Randriamanantsoa Tabera sy Ralaiseheno Guy Maxime, raha mihemotra ny fifidianana. Tsy nanafina izy fa korontana eto raha vao tsy raikitra eo ny fifidianana. Efa nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ary efa nampiasa volabe natobaka tamin’izany. Mety efa manana kajikajy politika maloto handresena amin’ny fifidianana satria iaraha-mahalala fa an’ny MAPAR ny praiminisitra sy ny minisitry ny Atitany, ka na milaza ho tsy mitanila aza dia mampiahiahy. Hanakorontana ve raha tsy lany eo satria iaraha-mahalala ny tamin’ny taona 2009 ? Raha ho tonga amin’ny tanjony ny Amiraly Ratsiraka mikendry ny fihemoran’ny fifidianana sy hirosoana amin’ny tetezamita hiaraha-mitantana, dia ho rava ny rafitra, tsy ho toy io endriny io ny governemanta, hany ka ho rava maina ny fanantenan-dRajoelina ary lojika raha mandeha ny don-tandroka hisian’ny fifidianana. Ny fanjakana am-perinasa tarihin-dRajaonarimampianina etsy an-daniny, dia lojika fa tsy fidiny ho azy ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fifidianana, ka na milaza aza fa vonona hanaja ny demokrasia dia mety tsy ho amin’ny sitrapo. Tombony ho azy ireo ny fihemoran’ny fifidianana, ary mety miombon-kevitra amin’i Deba na tsy tena mifanatona aza. Ho raharaha ity !

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT