Saika tsy nahazo ny Lapan’ny Kolontsaina tetsy Mahamasina i Andry Rajoelina, izay hamory vahoaka eny an-toerana rahampitso tolakandro, raha ny vaovao azo.
Mety lojikan'ny tsy nanomezana an'i Mailhol ny complexe Sportif Ampisikina Mahajanga tapa-bolana teo ho eo izay, dia ny hoe tsy azo anaovana fihaonana ara-politika ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena toy ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Re fa naharitra adiny 5 omaly ny fifandaharana vao afaka nanao ny fametrahana ny fanamafisam-peo ireo mpikarakara. Efa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny prefektiora, ary efa voaloa ny hofan-trano, raha ny vaovao azo. Tsaroana tsara anefa, fa ny 7 aprily lasa teo, dia nanao ilay antsoina hoe diaben’ny Fisandratana tao amin’ity Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ity ny HVM, izay nisian’ny fizaram-bola. Nahazo aloha izany iny i Andry Rajoelina, saingy tsy hay raha ho toy izany ny kandida hafa atsy ho atsy satria inoana fa hirarakopana ny famoriam-bahoaka ao. Andrasana kosa izay hambaran-dRajoelina rahampitso, izay heverina fa hisian’ny fanambarana ny haha kandida filoham-pirenena azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.