Politique

Andry Rajoelina Fohazin’ny olona ny afera malotony


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Miisa 36 ireo kandida filoham-pirenena fa i Andry Rajoelina no ratsy laza sy tototry ny fanakianana maro.

 

 Tsy mety voafafa ny tantara ary fohazin’ny olom-pirenena sy ny mpanao politika ny afera maloto isan-tsokajiny mahasika azy tamin’ny tetezamita, ankoatra ny fampahatsiahivana ny maha mpanongam-panjakana azy. Niisa 5 farafahakeliny ny fitoriana sy fangatahana ny hanilihana azy tsy ho anisan’ny kandida hofidiana filoha. Efa nitory azy ny Profesora Zafy Albert, izay notsiahivin’i Tabera Randriamanantsoa, andro vitsy lasa izay, fa efa tafapetrak’ity filoha ity teny amin’ny Bianco ny antontan-taratasy momba ny fanondranana harem-pirenena nataon-dRajoelina, toy ny boaderozy miaraka amin’ny porofo. Nitory azy teny amin’ny tribonaly ny HFI (Hetsika ho an’ny Fanorenana Ifotony) rehefa tsy noraisin’ny HCC ny fitoriany. Raha ny siosion-dresaka, ny 7 septambra izao ny fanadihadiana savaranonando mikasika azy io…Efa nametraka fitoriana teny amin’ny HCC ihany koa ny VOLT (Vondron’ny Olom-pirenena Leo ny Tsimatimanota) ny andron’ny 21 aogositra, saingy tsy noraharahiana angamba matoa mbola tafiditra tao anatin’ny lisitr’ireo kandida azo fidiana i Andry Rajoelina,… Toa takon’ny fifanarahana politika sy ny resaka fepetra hoe : fifidianana azon’ny rehetra andraisana anjara ny heloka samihafa. Ny kandida rehetra toa tsy mba manana olana sy tratry ny henjika samihafa, fa i Andry Rajoelina irery no malaza ratsy. Vao mainka mampiahiahy ny fisian’ny vazaha miseho vatana any anaty fitetezam-paritra ataony hoe: hanao inona aty ireny ? Misy amin’ireo Frantsay ao andamosin-dRajoelina rahateo no efa malaza ratsy any Lafrantsa, ary nisy no efa nanana olana noho ny afera maloto sy kolikoly toa an’i David Douillet, efa nohenjehin’ny HATVP (Haute Autorité pour la Transparence de la Vie Publique). Ny mitovitovy no miaraka araka ny fomba fitenin’ny Frantsay izay. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT