Nivoaka ny didy tsy azo hivalozana! Nizotra tamin’ny làlan’ny efa nizoran’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI ny dian’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny didim-pitsarana laharana faha 01-HCC/AR mirakitra ny valim-pifidianana ofisialy,
izay natao ny 19 desambra 2018. Nahatratra 9 913 599 ny mpifidy voasoratra, ka ny 4 767 887 no tonga nifidy, izay manome taham-pandraisan’anjara 48.09%, ka 51.91 manome 5145712 no tsy nifidy. Nambaran’ny HCC, fa nandresy tamin’ny salan’isa 55.66% tamin’ny alalan’ny vato 2 586 938 i Andry Rajoelina, ary vato miisa 2 60 847, manome ny salan’isa 44.34% kosa no azon’ny kandida Marc Ravalomanana. Tsy nisy fiantraikany tamin’ny voka-pifidianana ny fitoriana maro be noho ny heverina ho hosoka sy hala-bato, izay na tsy azo noraisina, na tsy mitombina no setriny. Ekena fa nandresy izany i Andry Rajoelina kanefa maro no resy lahatra fa filoha tsy marin-toerana izy ary ho sahirana amin’ny fitantanana ny firenena.Maro amin’ireo tetikasa nambarany fa hatao tahaka ny hoe karama farany ambany eto Madagasikara 200 000 ariary, Puce atao amin’ny omby, Drone hanenjehana dahalo, tanan-dehibe maro atao mitovy amin’ireo tanàna manana ny maha izy azy any ivelany, tsena moa sy vary mora, ny tetibolan’ny antenimierandoholona alefa any amin’ny fannanganana oniversite isam-paritra, fananganana tanàna goavam-be hamindrana ny biraom-panjakana, fanamboarana Autoroute…dimy taona ny fotoam-piasany, ary tena miandry ny fanatanterahana ireo asa ireo ny olona n any nifidy n any tsy nifidy azy.Etsy ankilan’izay koa anefa mipetraka ny fanontaniana : ho voafehiny ve ireo manodidina azy izay efa maro no toa misavoritaka amin’ny resa-tseza sahady? Ny valim-babena ho an’ireo nanome ny volany tamin’ny propagandy na vahiny na teratany tsy maintsy hatao, ka tena hahafehy firenena ve ny tenany sa ireny no ho eo amin’ny familiana. Fahefana feno izao no eo am-pelantanany ary maro no manasokajy azy ho olon’ny fahefana (homme de pouvoir), fa tsy olom-panjakana (homme d’Etat), ka mety ho sarotsarotra ho azy ny hifehy ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny tantara no hitsara fa ny hamisavisana ny ratsy tokoa angamba hihavian’ny soa e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.