Nandao an’i Madagasikara halina ka nihazo an’i Paris renivohitr’i Frantsa i Andry Rajoelina.
Tsy nisy fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny mpiara-dia aminy na ny ekipa mpanao ny propagandiny fa dia hoe lasa fotsiny. Angamba antony tena lehibe na ara-pahasalama matoa mandao ny firenena 10 andro mialoha ny datim-pifidianana tahaka izao ny kandida iray, izay anisan’ny mazoto mitety faritra. Azo antoka kosa anefa fa tsy tongatonga ho azy ilay mankany Lafrantsa fa ao raha .Hitady mpanohana ve sa haka vola sa hanao inona i Andry Rajoelina amin’izao diany izao ? Andrasana izay fanampim-baovao fa ny fantatra aloha dia misy ifandraisany amin’ny fifidianana izao tranga izao. Fantatra ihany koa fa nandao an’i Madagasikara ary nihazo ny nosy Maorisy ny kandida Jean Ravelonarivo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.