Ny sabotsy hariva vao niparitaka ny feo fa hanao faradoboka eto Antananarivo ihany ny kandida laharana faha-13 Andry Rajoelina. Ny alin’io vao nalefa ny antsoantso tamin’ny haino aman-jery ny hanatanterahana izany.
Natomboka teny amin’ny garan’i Soarano sy ny kianjan’ny 13 mey ny hetsika, ary ity no hany “Carnaval” teto Madagasikara ka nahitana olona nitondra basy Kalachnikov, noho ny antony izay tsy fantatra mazava. Nitety faritra ny hetsiky ny kandida laharana faha-13 ary niteraka fitohanan’ny fiara izay tena nahasorena ireo mpampiasa arabe satria maro ny olona na mba maika hody fa avy nivavaka na koa avy namangy fianakaviana kanefa dia voatery niandry hatrany amin’ny adiny roa vao tafavoaka. Fantatra ihany koa fa nisy ny mpivarotra amoron-dalana niharam-pahavoazana ka simba ny entana teny amin’ny tetezan’i Namontana, niampy fiara iray izay nisy nikiky tamin-java-maranitra. Maro no voaelingelina noho ny fitohanan’ny fiara teny Tsimbazaza, Manakambahiny, Ankadimbahoaka, Soanierana, Namontana, Anosy, Anosibe omaly hariva. Tsikaritra ihany koa fa misy amin’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina no efa tena mamo ary namoaka teny mandratra sofina sy nanao teny tsy voahevitra. “Raha tahaka izao no kandida filoha dia tsy mendrika, andro vitsy mialoha ny fifidianana ve no manakorontana ny fiarahamonina eto an-drenivohitra ?”, hoy ny resaky ny mpitazana. Nivoaka mihitsy aza moa ny resaka fa efa manao veloma ireo mpomba azy i Zandrikely satria hofaizin’ny mpifidy any anaty latsa-bato izy ny alarobia 19 desambra ho avy izao noho ilay tsy fahamatorany sy fizahozahoany io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.