Resy lahatra ny rehetra fa voafehin`i Andry Rajoelina sy ny ekipany ny resaka serasera. Tsy nisy izay tsy niaiky ny hakanton`ny fisehosehoana ivelany sy fampisehoana ny alarobia lasa teo tetsy amin`ny lapan`ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena raha nilaza hitatitra ny IEM teto an-drenivohitra ny tenany.
Tsy nisy vahaolana mivaingana narosony mahakasika ny zavatra tena andrasan`ny Malagasy. Tsy mahagaga fa efa nibaribary sy niaraha-niaina nandritra ny tetezamita ny zava-bitany. Nanana dimy taona nanovana ny firenena izy sy ny ekipany saingy zavatra hafa no nitranga teto dia ny fanenjehana, fanimbazimbana, fanagadrana. fandrobana amin’ny endriny rehetra… Nitodian`izao tontolo izao lamosina mihitsy ny firenena, natao tantely afa-drakotra ny harem-pitrenena. Ny raiamandreny am-panahy aza nozimbazimbaina sy nompaina tetsy amin`ny Episcopat Antanimena ny 17 martsa 2009. Tsy afa-miala amin’ireo fanapotehana manara-penitra nisy tamin`ny 26 janoary sy 07 febroary 2009 koa ny TGV. Nanjakazaka sy nahazo vahana ny jiolahy sy ny dahalo nandritra ny tetezamita; porofo ry Remenabila, ireo trafika isan-karazany toy ny andramena, volamena, vatosoa… Potika sy latsaka anaty lavaka ny fiarahamonina ary inoana fa mbola taona maro vao mety hiarina indray. Efa be tokoa ny vita sy ny azo ka izao manolotra programa vaovao hanapotehana firenena izao indray ? Raha kobaka am-bava aloha dia havanana ny filohan`ny tetezamita teo aloha. Hopitaly manara-penitra nefa tsy mamaly filan`ny vahoaka no hany mba dradradradraina. Mpitondra hendry sy matotra no ilaina amin`izao fa tsy taitaitra sy manaitaitra fotsiny toa an`i Andry Rajoelina no andrandrain`ny Malagasy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.