Mason-tsivana azo hanintsanana kandida ny fanambarana ampahibemaso mivoy sy manakiana na manaratsy ny asan’ny rafi-panjakana na rafi-pitsarana miantsoroka ny fifidianana ary ny endrika fanerena azy amin’ny asany mialoha ny hamoahany ny vokatra,
araka ny voalazan’ny andininy faha-208 amin’ny lalàna ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka eto amintsika. Ireny niaraha-nahita ireny ny fihetsiky ny kandida Andry Rajoelina sy ny mpomba azy izay naneho ny tsy fahatokisany ny CENI, ary niala tamin’ny fanaraha-maso nialoha ny nivoahan’ny voka-pifidianana. Tsy nipoitra teny anivon’ny CENI rehefa nampiantso fampitahana ny fitanana an-tsoratra na ny PV na ny “confrontation” ny takarivan’ny 15 novambra ary mbola nanoka-baravarana io vaomiera io, saingy tsy nipoitra. Iny niaraha-naheno iny anefa ny fanambarana nataony ny alatsinainy 19 novambra teo naneho ampahibemaso ny tsy fankasitrahany ny vokatra navoakan’ny CENI, fa hoe « truqué » ny rindrambaiko na ny « logiciel » ary nahena ny vatony. Izay zavatra ampidirina ao dia lainga no avoakany, hoy hatrany i Andry Rajoelina, ary mbola nilaza fa vaton’ny kandida n°13 ny ankamaroan’ireo lasa vato fotsy sy vato maty. Nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ny hanaovana fitiliana lalina na “audit” an’ilay rindram-baiko. Ankoatran’ireny dia efa naboridan’ny vondrona Eoropeanina ny fomba maloto, dia ny fizarana vola tamin’ny propagandy, izay toa tsy sahy nanao fanambarana lehibe nanoherana na nandavana izany i Andry Rajoelina. Ekena fa tsy misy ny lalàna nametra ny fampiasam-bola tamin’ny propagandy. Ny tsy azo hodian-tsy hita, dia mbola mason-tsivana hahafahana manintsana ny kandida ny andininy faha-233 amin’io lalàm-pifidianana io hatrany izay milaza fa ny mpividy sy ny mpivarotra vato sy ny mivarotra vato amin’ny fifidianana dia helohina handoa onitra avo roa heny amin’ny noraisina na nomena. Ny olona izay manararaotra manao izany amin’ny fifidianana na fitsapankevi-bahoaka manao izany ihany koa dia tsy afaka misitraka ny zony sy tsy afaka hanao asam-panjakana ary voarara tsy afaka asa misitraka ny asa maha olom-boafidy mandritra ny 5 ka hatramin’ny 10 taona. Raha ny lalàna no mihatra ara-bakiteny, dia azon’ny HCC atao tsara ny manintsana an-dRajoelina, izay efa karazan’ny nandeferana mba hisian’ny fitoniana satria raha ny fifanarahan’i Cotounou izay nosoniavin’i Madagasikara satria ny olona naka fahefana tamin-kery na basy aman-tafondro fa tsy tamin’ny fifidianana ara-demokratika dia tsy tokony ho afaka milatsaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.