Volabe hatrany amin’ny 43 tapitrisa dolara na 150 miliara Ariary any no lany tamin’ny fampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2013, raha ny fanadihadiana nivoaka tao amin’ny tranonkalan’ny haino aman-jery iraisam-pirenena dia ny RFI.
Vola be indrindra nolaniana tamin’ny propagandina filoham-pirenena manerana izao tontolo izao io, ka raha ny fampitahana dia avo roa heny noho ny lanin’ny filoha Amerikanina Donald Trump tamin’ny taona 2013. Ny fanjakana tetezamita notarihin-dRajoelina no nanosika sy nanohana azy mafy tamin’izany, ary nihamboany fatratra tokoa. Vola avy aiza ? Azo tamin’ny fanondranana andramena, volamena sy harem-pirenena maro samihafa ? Ny vidin’ny boaderozy 1500 kaotenera nambaran’ny fampahalalam-baovao iray akaiky ny fitondrana ankehitriny fa naondran’ny tetezamita ? Ny tamin’ny 2013 izany fa amin’ity mety mbola ho ambony lavitra be noho io ny vola ampiasaina satria nanohana olona aza ny filohan’ny tetezamita nahafoy volabe mainka izao fa izy mihitsy no kandida.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.