Politique

Andry Nirina Rajoelina Ahoana ny 100 andro amin`ny fitantanana ?


  • Alarobia 09 Janoary 2019

Mirary soa ny filoham-pirenena vaovao ary enga anie hahaleo hahalasa amin`ny asany izy, indrindra ho raiamandrenin`ny Malagasy rehetra na ireo nifidy azy na tsia.

 

 

  Betsaka ny zavatra voalaza fa tokony hotontosaina tao anatin`ireny fampielezan-kevitra ireny ary navadika ho programan`asa ka hirariana sy takiana mba tsy ho kobaka am-bava intsony satria tsy mendrika izany intsony ny Malagasy. Mba hotanterahina tokoa amin`ny famoahana ny vahoaka Malagasy anatin`ny fahantrana. Mila jerena akaiky ny resaka sakafo, zavatra ampiasaina amin`ny andavanandron`ny vahoaka, indrindra ny kolikoly ary fametrahana filaminana eto amin`ny firenena. Ny famerenana an-tsakany sy an-davany ny filaminam-bahoaka, indrindra ny fampitoviana ny fampizarana ny harem-pirenena mba hampitovy tantana ny olona rehetra no tokony himasoana satria be loatra ny elanelan`ny manankarena vitsy sy ny mahantra maro an`isa. Faharoa, tokony hisokatra amin`ny fananganana ny ekipa vaovao hitondra ny tany sy firenena na ny governemanta na amin`ny sehatra maro samihafa. Hisokatra amin`ny ankolafin-kery hafa ve ny Filoha vaovao mba ahafahana mihaino ny hafa izay manan-jo hohenoina sy hitantana ny ampahan`ny firenena ? Tokony hahay hisafidy tsara izay olona vonona hiara-kiasa aminy akaiky izy satria amin`ny maha filoha azy dia izy no mitantana fa ny mpiara-miasa sady ahitan`ny vahoaka ny sary amin`ny fitondrana ary ireo no tena hanantanteraka ny baiko sy ny vina izay napetraky ny Filoha vaovao. Amin`ny lafiny politika, mazava ny apetraky ny lalàmpanorenana fa misy ny mpitarika ho mpanohitra (statut de l`opposition). Manan-jo hivondrona izy io ary hajain`ny lalàmpanorenana. Tsy tokony hosakanana ihany koa ny fahefana mitsikera, fahefana maneho hevitra sy ny fahefana mitondra ny anjara birikiny amin`ny fitantanam-pirenena satria izay no ahafahana manitsy izay tsy nety teo aloha. Andrasana fatratra ny fanombohan`ny “100 andro amin`ny fitantanana” (100 jours de grace) izay fetrandro ahafahan`ny filoha vaovao hanombohana ny asa. Tsy manan-jo hanao fahadisoana izy satria tsy maintsy hihazakazaka hitondra fanovana mandona ao anatin`ny fotoana fohy, indrindra eo anivon`ny sosialim-bahoaka (action coup de poing).

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT