Mbola ao anatin’ny fandinihana tanteraka ny volavolan-dalŕna momba ireo mpikambana handrafitra ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, ny fahefana mpanatanteraka eo anivon’ny governemanta amin’izao fotoana izao
. Mirona betsaka mankany amin’ny fisian’ny solontenan’ireo firaisamonim-pirenena toy ireo holafitry ny mpanao gazety sy ny mpisolovava ny fifandresen-dahatra ankehitriny. Adihevitra tsy misy farany miaraka amin’ny fanakianana mavaivay nahazo ireo kaomisionina roa nifandimby nikarakara ireo fifidianana nifanesy teto Madagasikara kosa hatramin’izao moa ny resaka fiankinan-doha ara-pitantanana sy ny lafiny famatsiam-bola. Vaovao manaitra tsy nampoizina anefa ankehitriny ny mety hananan’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ireo Antenimiera roa solontena ao anatin’io Ceni vaovao vinavinaina hatsangana mialoha ny senatorialy io, araka ny tsilian-tsofina re. Mandritra ny fifidianana kosa vao hosoloantena ao anatin’ny rafitra ireo antoko politika. Ezahina ho tena vitsy moa ireo mpikambana ialana amin’ny fandaniambola mihoapampana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.