Raha tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy lasa teo ny filoham-pirenena , tsy nahatombina ela teto an-drenivohitra fa dia nivoaka sahady ary nitokana zava-bita tany Anjiajia.Toerana famokarana herinaratra no resaka teto
mahavokatra hatrany amin’ny 80kW ity famokarana herinaratra avy amin’ny alalan’ny rano ao Anjiajia –kaominina ambanivohitr’Andriba ao amin’ny faritra Betsiboka ity.Avy amin’ny alalan’ny fametrahana toho-drano eo amin’ny reniranon’i Mamokomita moa no hamokarana ny herinaratra.Natao indrindramba hanalàna ny fahasahiranan’ny mponina any amin’iny faritra iny momba ny resaka herinaratra.Tafiditra idridra ao anatin’ny fanitarana ny tambajotran’ny herinaratra ao amin’iny faritra iny izao hetsika izao, ka hifampizara ny vokatsoan’ity toeram-pamokarana herinaratra ity ny kaominina roa dia Mahatsinjo sy Andriba izany.Nanamarika ny ministry ny angovo fa zava-dehibe tokoa ny tetikas atahaka izao, ary tanjona ny hanome angovo mor vidy hatrany ny isan-tokantrano.Ho an’ny fitondram-panjakana dia karazana fototra iaingan’ny fanapariahana ny herinaratra any ami’y tontolo ambanivohitra ity natao tany Anjiajia ity.Tazana niara-dia tamin’ny filoha nandritra izao diany tany amin’ny faritra Betsboka izao hatrany ny minisim-panjakana Rivo Rakotovao, izay efa tahaka ny aloky ny filoha mihitsy ka hita amin’izya toerana rehetra alehany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.