Politique

Andriantsizehena Benja Urbain Olom-boafidy ny depiote ka tsy mametra-pialana izany


  • Talata 07 Jolay 2015

anoloana ny tsy fahombiazan’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta nataon’ny ampahana solombavambahoaka teny Tsimbazaza farany teo dia nandeha ny feo fa rehefa tsy nahomby tamin’ny “motion”

 

M anankiroa nataony ireo depioten’i Madagasikara dia tokony hametra-pialana izy ireo. Nilaza mazava ny depiote Andriantsizehena Benja Urbain, sekretera jeneralin’ny antoko RPSD  fa olom-boafidy ny depiote ka tsy tokony hametra-pialana. Marina aloha, hoy izy, fa nahatsiaro ho menatra izahay tamin’iny vokatry ny latsa-bato natao iny fa iny moa ny zava-nisy ka akory atao ! Izahay dia efa nilaza tamin’ireo namana fa efa tsy tia fikorontanana intsony ny vahoaka ka tsy tsara ny mandrava efa ao anatin’ny fotoana hanombohan’ny fanaovana dinika handaminana resaka miaraka. Izany indrindra no nanapahanay hevitra fa  tsy nanaiky fitsipaham-pitokisana nefa moa mbola nikiry ihany ireo namana hafa ka izao no vokany. Tsy misy resy sy mpandresy izany tamin’iny fifidianana nataon’ny depiote iny fa io firosoana marina amin’ny dinika io no tokony hobanjinin’ny rehetra.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT