Tena ilaina ny fiofanana ety anivon’ny Antenimieram-pirenena, hoy ny depiote Andriantsizehena Benja Urbain avy amin’ny vondrona parlemantera Vpm/Mmm. Maro dia maro ireo tena vaovao ety Tsimbazaza ka ilaina firindrana ny fomba fiasan’ny rehetra
. Amiko aza, hoy ity solombavambahoaka ity, tokony hitarina bebe kokoa izany fiofanana izany, ka ankoatra ny asan’ireo manampahaizana vahiny nampiofana teo dia tokony hiditra an-tsehatra koa ny teknisianina malagasy ao amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola hampiofana anay solombavambahoaka tsy ankanavaka ny amin’ny fandinihana ny tetibolam-panjakana fototry ny fivoriana ara-potoana faharoa ity. Dieny tsy tonga eny Tsimbazaza io volavolana tetibola 2015 io, hoy izy, no tokony hanatanterahana izany mba hirindra tsara avy eo ny asan’ny depiote. Raha ny fitsipaham-pitokisana nalaza be tety Tsimbazaza teny dia izay indrindra ny fijeriko azy no maha lapan’ny demokrasia ny ety. Efa nambarako ombieny ombieny, hoy ny depiote Benja Urbain, fa eto amin’ity lapa ity no tena fanaovana politika, eto no azo anehoan-kevitra samihafa. Tsipahiko kosa ny filazana, hoy izy, fa misy depiote voavidim-bola izany eto fa mijoro amin’ny maha izy azy ny tsirairay avy. Ho ahy depiote voafidy tamin’ny alalan’ny Vpm/Mmm tany Manakara izao, hoy ity solombavambahoaka ity, dia nahatety fokontany maro tany an-toerana izahay ny 24 septambra teo ka naheno hafatra nivantana avy amin’ny vahoaka fa avelao aloha mba hiasa io governemanta io ka izany feom-bahoaka izany no tsy maintsy taterina ety Tsimbazaza ka nanaovanay sonia ny fanoherana an’ilay fitsipaham-pitokisana voalaza teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.