Miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka malagasy, miaina amin’ny delestazy, marary ny sosialim-bahoaka
mila mandray fepetra ny mpitondra. Io no nambaran’ny solombavambahoaka Andriantsizehena Benja Urbain tany Ambalasoaray Imadiala Ambositra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Vahaolana avy hatrany no narosony dia ny fanaovana ho asa laharam-pahamehana ireo olana ireo. Mikasika ny fanondranana andramena dia mila saziana mafy izay tratra, araka ny hevitr’ity depiote ity. Takiany koa ny tokony hanazavan’ny fanjakana mikasika ny fizarana an’Antananarivo, tsy fizarazarana no atao fa fitsinjaram-pahefana tena izy. Mikasika ny olana misy eo amin’ny oniversite kosa dia nandroso vahaolana ity depiote ity ny amin’ny tokony hanaparitahana ireo filiera manerana ny Faritany 6 sy fametrahana oniversite manerana ny faritra 22.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.