Sady mampihomehy no mampalahelo ny fitondram-panjakana misy ankehitriny.
Omaly antoandro Atoa Razafindambo Andrianjato Vonison minisitry ny Serasera dia nanao fanentanana tsotsotra ny mba tsy hanaovan’ny mpanao gazetin’ny radio sy fahitalavi-panjakana fampahalalam-baovao mety hiteraka savorovoro amin’ireny tranga tsy fandriampahalemana misy ireny. Handalo eto Madagasikara, hono, ny solontenan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ( FMI) ka tsy tokony hahita lesoka eo amin’ny fampandehanan-draharahan’ny fiainam-pirenena. Misy mantsy, hoy Atoa minisitra amin’ny fotoana toy izany indrindra vao manao fihetsika mitarika savorovoro sy korontana ireo tsy mankasitraka ny fitondrana misy.
Raha ny fahitana azy anefa dia tsy ny mpanao gazety ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana mihitsy no hitsivalam-pandry amin’izay ataon’ny fanjakana. Ny mifanohitra amin’izany aza no matetika ataon’izy ireo.
Hamitahana ireo mpiasan’ny FMI izay handalo eto ireo ve izany dia tokony hanao sinema ny Vahoaka malagasy ka mody atao hoe : mety na dia tsy mety aza ary mody atao hoe mahafinaritra sy tsara na dia izay mangeroka sy ratsy aza ? Ka eto ange Atoa minisitra hajaina tsy misy finiavana te handoto ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina mihitsy fa miteny ho azy ny zava-misy e ! Tsy misy sinema ireo zava-misy hita isan’andro ireo fa tena fiainan’ny mponina. Ary na hiezaka hanafina aza anie isika, tsy olona adala sanatria ireo mpiasan’ny FMI ireo ka tsy hanadihady izay any ambadika sy ny tany aloha rehetra e ! Ny vokatry ny fanadihadian’ny Banky iraisam-pirenena volana aogositra fotsiny dia efa ampy hanazava ny sainy.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.