Politique

Andrianafetra Faly (Le Roi Lion) Nirotsaka bebe kokoa amin’ny sehatra politika


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Voafidin'ireo mpikambana ifotony hitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ao amin'ny Kaominina Imerintsiatosika, Distrikan’Arivonimamo i Andrianafetra Faly. Natao omaly, nandritra ny fihaonamben’ireo mpikambana TIM avy amin’ireo

Fokontany miisa 36 mandrafitra ny Kaominina, nanavaozana ny birao ifoton’ity antokon’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Roa no kandida filoha ary tamin’ny fomba demokratika sy nangarahara tanteraka no nizoran’ny fifidianana, natrehin’ny depioten’i Madagasikara voafidy tao Arivonimamo sady TIM mafana fo rahateo, Rakotomanjato Rodin sy ny filohan’ny Dis TIM Arivonimamo sady Ben’ny tanànan’Arivonimamo II, Rabearivelo Armand. Ny 85%-n’ny mpikambana no nametraka fitokisana amin’i Andrianafetra Faly, handray an-tanana ny fitantanana ny TIM Imerintsiatosika ka hanao izay hampiroborobo sy hampatanjaka azy. Sahan’asa miandry azy avy hatrany ny fanetsiketsehana ny mpikambana ifotony amin’ny fiatrehana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny Kaominina hatao manaraka eo. Ho fantatra amin’ny herinandro ambony iny rahateo izay ho kandida Ben’ny tanàna harotsaky ny Tiako i Madagasikara eny Imerintsiatosika, kandida izay hofidian’ny mpikambana eny ifotony raha ny fanazavan’ny depiote Rakotomanjato Rodin. Tanora mpandraharaha i Andrianafetra Faly. Mpitantana ny SRK (Serana Racing Kart) izy. Mpanamory fiarakodia diso fantatry ny maro amin'ny solon'anarana “Le Roi Lion” eo amin'ny tontolon'ny Rallye ihany koa izy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT