Tsy mbola fotoana filazana praograma izao, hoy ny kandida ho filoham-pirenena natolotry ny antoko politika FFF, Andriamparany Radavidson, tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly.
Ny azoko lazaina, hoy izy, dia ny zavatra folo tsy hataoko mihitsy rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Anisan’izany ny fanitsakitsahana lalàm-panorenana, ny fanaovana tsinontsinona ny zon’ny olom-pirenena, ny fakana tanin’olona, ny fanampenam-bava ... Aoka aloha ny mpitondra, mba ho azo fehezina. Izay fifamatorana amin’ny vahoaka izay no ilaina mialoha ny zavatra rehetra, hoy izy. Ekena fa mila fanorenana ifotony ny firenena saingy aleo aorian’ny fifidianana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.